Voahangy Raharimanarivo

«Solombavambahoaka hiaro ny tombontsoam-pirenena izahay!»


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

teo ireo kandida depiote anatin’ny lisitry ny vondrona politika Firaisankina eny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Mitarika ity lisitra ity ny kandida, Voahangy Raharimanarivo. Manaraka azy ny ben’ny tanànan’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina, sy Fanja Raharimanana ary Mamihery Ravalonomenjanahary. Fandio iray siny, hoy ny kandida Voahangy Raharimanarivo, tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Nandeha ny fanaratsiana rehetra fa hamafisiko eto hoe raha nandeha ny tolon’ireo depiote miisa 73 dia teo aho, hoy izy. Teo foana koa aho tamin’ny hetsika fotsy. Tsy nivadika tamin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara aho. Tsy nivadika tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Miray fotokevitra aminy aho hatramin’izay ka hatramin’izao. Solombavambahoaka hiaro ny tombontsoam-pirenena izahay! Ho vanona sady vonona! Tsy ho voavidy vola fa hijoro amin’ny fahamarinana. Hiady amin’ny kolikoly. Hiady ho an’ny tombontsoam-pirenena fa tsy tombontsoa manokana. Ny tolona mbola tsy vita. Ny famaranana ny tolona dia io fifidianana solombavambahoaka io mba hahazoantsika ilay maro an’isa ka eto aho dia manentana ny rehetra, andao hiara-hiasa! Andao hiray hina hahazoantsika fandresena, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT