Politique

VMMMA : Mila filaminana ny fanatanterahana fifidianana


  • Zoma 22 Janoary 2010

Anisan’ny vahaolana maharitra ivoahana amin’ny krizy ny fanatanterahana fifidianana malalaka, mangarahara sy demokratika, araka ny hevitry ny VMMMA na Vondrona Malagasy Miaro ny Madinika, izay tarihan-dRandriankotoarison Marcel na Zamamy Lemara.

 

Tsy azo atao ao anatin’ny fikoropahana anefa izany, ary araka ny fanambaran’ny VMMMA ihany, dia tsy azo eritreretina mihitsy ny hanatanterahana izany fifidianana izany raha tsy voahaja ny zo ara-demokratikan’ny olom-pirenena sy mbola iharan’ny antsojay sy ny sakana isan-karazany ataon’ny herim-pamoretana ny hetsiky ny tia tanindrazana.
 
Mialoha ny hanaovana izany fifidianana mangarahara sy malalaka izany, araka ny fanambaran’ny VMMMA ihany, dia tokony hohajaina an-tsakany sy an-davany manerana ny nosy ny fanehoan-kevitra ara-politika sy ny fahafahana mivory sy maneho hevitra ary ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Tokony hitovy zo amin’ny safidy politikany sy ny fanehoan-keviny ihany koa ny olom-pirenena rehetra manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, hoy ihany ny VMMMA. Mieritreritra ity fikambanana ity fa tsy sarotra tanterahana ary tokony ho mety amin’ny rehetra izao soso-keviny izao, ary afaka hitondra ny vahaolana maharitra sy mahomby amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena.
 
Raha iverenana ny tantara dia tamin’ny fiandohan’ny taona 1990 no niforonan’ity antoko ity, ny 14 aprily 1992 no tena tafajoro ara-panjakana izy, Atoa Randriakotoarison Marcel na Zamamy Lemara, izay talen’ny Zafindrama mahavita, doany Andriamisara efa-dahy any Manankasina Boeny, no filoha mitarika azy hatramin’izay ka hatramin’izao. Mpiara-mitolona tamin’i Monja jaona noho ny foto-kevitra nitovy ny mpanorina ity antoko ity . Ary tamin’ity tetezamita ity dia anisan’ireo nanohana ny hetsika nataon’ny antoko Monima sy ny Otrikafo izay nivondrona teo anivon’ny Vondron’ny Tia tanindrazana ny VMMMA. Tanjon’ny antoko ny hanavotra ny vahoaka amin’ny fahantrana sy hiaro azy ireo amin’ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitondra ; mijoro ho mpitondra tenin’ny vahoaka ihany koa ny VMMMA. 
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT