Viravirain’ny TGV hatrany ny lalàna

Hitazam-potsiny ny CENI, HCC, HCDDED,…


  • Alatsinainy 11 Novambra 2024

hiha mafana ny hazakazaka ara-politika amin’izao herinandro mahery mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana izao,

indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Samy manana ny paikadiny sy fomba iatrehany ny « précampagne », saingy nanaitra ny sabotsy teo ny kabarin’ny kandidan’ny IRMAR Rtoa Harilala Ramanantsoa, izay sahy nilaza nivantana fa izy no kandidam-panjakana, mafy be izy ireo, azy ny tanàna. Naneho fa mahatoky ireo olom-panjakana sy olom-boafidy miara-dia aminy. « Izaho kandidam-panjakana, izaho ny kandida « orange », aza mieritreritra lavitra ny sainareo, izaho no izy, ary isika miaraka no hibata ny fandresena, aza misabababaka ! Rehefa tonga eo aho antsika ny tanàna. Izay no mafy, isika no mafy, isika ny rôle, antsika ny tanàna sa ahoana governora, sa ahoana ry depiote namana, an’iza ny tanàna ». Ny andininy faha-39 amin’ny lalàm-panorenana dia milaza mazava, fa iantohan’ny fitondram-panjakana ny tsy fiandaniana politikan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fampianarana, ny tafika, ny fitsarana,… saingy io iaraha-mahita io ny filazana fa kandidam-panjakana Rtoa Harilala Ramanantsoa. Tsy antony hahafahana manintsana ny kandida ve io fihetsiny io ? Eny iny nivaky am-batolampy iny ny kandidan’ny TGV fa kandidam-panjakana ka moa tsy mampitombona ireo ahiahy samihafa amin’ny hampiasana ireo rafitra ara-panjakana samihafa toy ny fokontany sy ireo fanampiana samihafa hampandaniana azy ? Manampy trotraka izany, efa zary mandeha ho azy ny fihetsika sy fanehoana mibaribary ny fiandaniana politikan’ny Fanjakana, toy ny nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hoe : « Izy no saika ho kandidantsika » tamin’ny fotoana nanaovam-beloma an’Itompokolahy Ramanambitana Richard. Efa nisy ihany koa tany aloha ny filazana fa manana birao ao amin’ny Arena Foiben’ny TGV ny Filoham-pirenena. Ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana no milaza fa ny Filoham-pirenena no miantoka ny firaisam-pirenena, ary ny andininy faha-49 kosa no manipika mazava fa tsy azo hafangaro sy ampirafesina amin’ny asa anaty antoko politika na vondrona politika ny asan’ny Filoham-pirenena. Voahaja ve izany rehetra izany ? Mbola voararan’ny lalàna mifehy ny fifidianana ihany koa ny fampiasana ny fahefam-panjakana Fanjakana, fitaovam-panjakana, volam-panjakana,... ka asa voahaja ve izany ? Moa marenina ve ny CENI eo anatrehan’ny endrika fandikan-dalàna na ny an’ny kandida TGV eto Antananarivo na ny an’ny Filoham-pirenena ? Ny HCC mety mbola mitsotsotra na eo aza ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàmpanorenana ? Ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna na HCDDED mbola makamaka volon-tany sy jamba na voabaiko? Ary mba andrenesam-peo ve ireo antoko sasany milaza fa mpanohitra ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT