Vinan’i Lolitah Rasoarimanana ao Ambavahaditokana

Hifantoka amin’ny fampianarana sy fanofanana ara-kasa


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Mponin’Ambavahaditokana aho, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna mitondra ny laharana voalohany na n°1

ao amin’ity kaominina ity, Lolitah Rasoarimanana. Teto no nahalatsahan’ny tavoniko, hoy izy. Maniry ny hitondra anjara biriky ho an’ity kaominina ity aho. Nisy ny fidinana ifotony natao izay nahitàna fa tena sahirana ny vahoaka. Maro ny ray aman-dreny tsy an’asa, ny tanora tsy an’asa, ny zaza tsy mianatra. Heverina fa zava-dehibe, noho izany, ny fanomezana fanofanana ara-kasa ny ray aman-dreny ahafahany mampianatra ny zanany. Any izany no vahaolana. Mitaraina ireo ray aman-dreny ireo hoe na ny ho haninay aza tsy misy ka inona no hampianaranay ny zanakay? Tsy manam-bola ireo ray aman-dreny na hividianana kahie sy sara-pisoratana anarana aza. Ankoatran’ny fitadiavana vahaolana hanomezana fiofanana ara-kasa ho an’ireo ray aman-dreny ireo, noho izany, dia hisy koa ny «caisse social» na tahirim-bola sosialy manokana ho azy ireo ahafahany mampiasa vola sy mamerina rehefa nahazo ilay tombony izy. Maro, noho izany, ny vahaolana azo tanterahina hamahana ny fahasahiranam-bahoaka. Ny 75%n’ny mponina sahirana daholo. Ny ankizy tsy mianatra. Eo amin’ny kilasy faha 6 sy faha 5 eo foana dia miala tsy mianatra intsony. Tsy fahafahan’ny ray aman-dreny daholo no mahatonga izany rehetra izany. Antony nandrisika ny tena hirotsaka ben’ny tanànan’Ambavahaditokana avokoa izany. Eo koa ny vinavina hanisy EPP satria misy fokontany miisa 2, dia Atanjona sy Amboatavo, mbola tsy manana EPP eto. Misy ankizy mila mamonjy fokontany hafa lavitra be izany mamonjy EPP. Ambavahaditokana koa mbola tsy manana lisea. Nisy ray aman-dreny izao nitaraina tamin’ny tena hoe afaka BEPC ny zanany nefa lavitra be ny lisea. Any Itaosy vao mahita, ohatra. Ny saram-pitaterana nefa mbola manahirana ny mitady azy isan’andro. Manana vina, noho izany, ny tena hanamboatra izany lisea Ambavahaditokana izany. Betsaka ireo ray aman-dreny nitaraina fa tsy an’asa satria tsy ampy ny fahalalana na «bagages» entiny ahitana izany asa izany. Antony io hampirisihako ny rehetra, indrindra, ny ray aman-dreny mba hanovo fahalalana. Misy ny fampiofanana hanao savony, mofomamy, ny «plomberie» na fikoloana ny resaka rano izay ampanaovin’ny fikambanana tarihiko dia ny Vonona hibanjina ny lavitra na ny VHL, izay ho an’ny vahoaka izany, hoy hatrany ity kandida ity nanazava ny safidiny hampifantoka ny vinany amin’ny resaka fampianarana sy fanofanana arak’asa. Antoko politika sy fikambanana maro moa no nisafidy ny hanohana ity kandida ity, raha ny fampahatsiahivana voaray hatrany, ka ahitana ny antoko politika Tia tanindrazana, ny MFM, ny ALDR, ny VHL ary Ambavahaditokana tsy mialonjafy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT