Politique

Vina Madagasikara nomerika Hiteraka tombotsoa sy vahaolana maro


  • Talata 08 Aogositra 2023

Nanazava ny vina iarahany amin’ireo mpiara-miasa aminy ho an’i Madagasikara tamin’ny haino aman-jery maro alina ny mpampianatra mpikaroka sady mpandraharaha, mpitantana orinasa, Tahina Razafinjoelina.

Isan’ny nasongadina manokana tao anatin’izany ny hoe “Madagasikara nomerika” noho izy io heverina fa tsy azo ihodivirana intsony manoloana ny fihazakazaky ny fanatontoloana sy ny hairaha vaovao na teknolojia ankehitriny na dia mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza ny antsasa-manilan’ny malagasy ary araka ny antotan’isa nomen’ny sampan-draharaha misahana izany na INSTAT farany moa dia hoe kilasy fahatelo na “niveau T3” amin’izao fotoana izao ny malagasy amin’ny ankapobeny. Mivelatra sy miasa maneran-tany, haingana sy mora ny antotan-taratasy, hamorona asa, hakingan-tsain’ny malagasy nefa, raha ny fiheveran’i Tahina Razafinjoelina azy ny fidiran’i Madagasikara lalindalina kokoa amin’ny tontolon’ny nomerika. Mitodika makany amin’ny sampana na “service” mifandraika amin’izany hifandraisana amin’ireo nosy rahavavy sy firenen-kafa toa an’i Maorisy, Romania, Estonia, Inde ny vina. Lafiny fanondranana ny vokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa heverina fa hitombo ny fivelarany. Ilaina ny fampiharana ny atao hoe fanabeazana teknolojika amin’ny alalan’ny fifanakalozana ampitain-davitra an-tsary sy feo na “visio conférence” manerana ny faritra miisa 24. Fanjakana tsara tantana no tanjona. Tomombana ny lafiny fitsaboana, ny angovo azo avaozina amin’ny alalan’ny fampiasana herin’ny masoandro na “Energie renouvelable solaire”. Herinaratra isan-tokantrano no tanjona. Hanafoana ny tsy fandriampahalemana. Mianatra ny ankizy. Famadihana ny ranomasina ho azo ampiasaina. Ireo raha aravina ny heveriny fa tombontsoa ilaina maika amin’ny fametrahana izany, raha ny fanazavana nomen’ity tekinisianina sady filohana antoko politika ity hatrany .
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT