Politique

Vidin-jiro sy rano Tsy maintsy hiakatra


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Mahatratra 340 miliara ariary isan-taona ny vola fanampiana na « subvention » arotsaky ny fanjakana ao amin’ny Jirama.

 

 

 Tsy maintsy ahena anefa io, hoy ny governoran’ny banky foiben’i Madagasikara Rasolofondraibe Alain hatramin’ny faran’ity taona ity, ary efa voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna tetibolam-panjakana 2016 izany. Takian’ireo mpamatsy vola mahazatra antsika moa ny fanafoanana tanteraka ny resaka fanampiana ara-bola ataon’ny fanjakana amin’ny resaka vidin-tsolika sy ny Jirama ary tsy maintsy hihatra noho izany ny vidiny tena izy. Ankoatra izay dia efa mizotra ny fanaovana fanadihadiana eo anivon’ny Jirama momba ny fitantanana sy ireo fifanarahana rehetra natao tany aloha. Ho fantatra mialoha ny faran’ity taona ity ihany koa ny valin’izany. Zavatra tsy maintsy natao izy io mialoha ny hirosoana amin’ny fanarenana ny Jirama sy ny fanaovana fampiasam-bola vaovao, araka ny tenin’ny governoran’ny banky foibe hatrany. Tafiditra tao anatin’ireo fitakian’ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama nandritra ny fitokonana nataon’izy ireo ihany koa moa ity fanaovana  « audit » ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT