Politique

Victor Wong Tsy maintsy avoaka ny gadra politika rehetra !


  • Alakamisy 27 Oktobra 2011

Mbola manamafy hatrany Atoa Victor Wong, filoha mpitarika ny OFPACPA, fa mila avoaka tsy misy hatak’andro ireo gadra politika rehetra tamin’ny raharaha 2009 sy 2010 ireny.

 . Izay no anisan’ny dingana tsy maintsy andalovana amin’ny fametrahana ny fitoniana araka ny fifanarahana politika natao ary nohamafisin’ilay sori-dalana nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011. Nambarany fa fitiavan-tanindrazana no nibaiko ny fihetsik’ireny olona ireny fa tsy zavatra hafa. Noho izany, tsy tokony havilivily ny resaka fa izay rehetra nogadraina noho ny tranga rehetra nisy tao anatin’ny krizy dia avoaka fa tsy hamoronana tetika hafa sy hamoahana izao andinin-dalàna rehetra izao.

Tsy miangavy ny mpitondra izahay, hoy i Victor Wong fa tena manery mihitsy satria izay ihany no hampisy ny fitoniana eto. Nanaitra ny sain’ny rehetra ihany koa moa ity filohan’ny OFPACPA ity raha nilaza fa toa misy fitongilanana sy fanavakavahana ihany ny zava-misy eto. Nisy, hoy izy olona voatonona tamin’ny raharaha fametrahana baomba sy asa fampihorohoroana ary fanimbana fananan’olona, anisan’izany Atoa Raharinaivo Andrianatoandro.

Ny mahagaga anefa dia niditra kely tany am-ponja aloha, dia nahazo toerana avy eo ary tena lasa filohana andrim-panjakana mihitsy. Ao koa ny mpanao politika sasany niara-dia tamin’i Marc Ravalomanana, saika efa hosamborina fa hoe lehiben’ny mpanakorontana sy tafiditra amin’ny raharaha baomba kanefa dia lasa minisitra avy eo. « Fa nahoana kosa no tsy mba avoaka sy omena fahalalahana na dia tsy hahazo seza aza ireo olona hafa eny Tsiafahy sy Antanimora ? », hoy ihany Atoa Victor Wong, kanefa mitovy ny raharaha hanenjehan’ny fitsarana azy rehetra ireo. Mahalala tsara ny zavatra ambarany ity filohan’ny OFPACPA ity satria efa avy gadra politika nandritra ny fitondrana Ravalomanana ny tenany. Nambarany ary fa tsy fotoan’ny valifaty intsony izao fa fotoana tokony handaminana ny fiarahamonina, tafiditra ao anatin’izany ny tsy maintsy hamoahana ireo gadra politika rehetra. Nilaza ny hihaona amin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo izay misolotena vonjimaika ny SADC eto amintsika moa ingahy Victor Wong sy ireo mpiara-dia aminy, mba hiresahana ity raharaha iray ity izay voasoratra mazava tsara ao anatin’ny sori-dalana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT