Politique

Victor Lalao Randrianazanany “Teknisianina mahavaha olan’ny mpitatitra no tokony hatao minisitra”


  • Zoma 11 Novambra 2011

Samy saro-piaro amin’ny fiarovany ny antokon’asa misy azy avokoa ny rehetra ao anatin’izao fananganana ny governemanta izao.

 Raha mitaky teknisianina mahafehy ny sehatra misy azy ny vondron’ny fikambanana teknisianina sy mpiasam-panjakana ambony dia tsy diso anjara amin’izany koa ny mpandraharaha eo amin’ny tontolon’ny fitaterana. Minisitra afaka mamaha ny olan’ny mpitatitra no andrandrain’i Victor Lalao Randrianazanany hitana io toerana io. “Teknisianina no ilaina satria mijaly ny mpitatitra. Midangana ny patanty izay mahatratra roa tapitrisa ariary, tsy mitsaha-miakatra koa ny saram-piantohana. Manginy fotsiny ny sazy henjana ampiharin’ny mpitandro ny filaminana raha vao misy fahadisoana kely”.

Etsy andaniny anefa dia mitazona ny saran-dalana mahazatra ny mpitatitra ho fitsinjovana ny vahoaka kanefa tsy mahatakatra ny vidina piesy intsony izy ireo araka ny nambarany hatrany. Faniriana araka izany raha olona afaka mametraka ny “Centrale d’achat” na toeram-pivarotana piesy takatry ny fahefamividin’ny mpandraharaha sy manome fanamorana amin’ny fividianana entana no hipetraka amin’ny toeran’ny minisitry ny fitaterana. Tokony hojeren’izay minisitra vaovao koa ny fampihenana ireo hetra isan-karazany aloan’ny mpitatitra araka ny soso-keviny hatrany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT