Politique

Victor Hong Tapitra eo ny momba ny FAT


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Tapitra eo ny momba ny FAT, hoy Atoa Victor Hong omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka. Tsy nahomby ilay “assise militaire” tamin’ny 2009, hoy izy, matoa vita iny dia lasa any am-ponja ny naman-dry zareo tao amin’ny tafika.

 Tena manao politika ny tafika ary mbola sakana hatreto, hoy i Ignace. Mametraha fialana aloha ianareo be galona dia manao politika avy eo, hoy izy, fa hantsoina jeneraly na kolonely hatrany ianareo dia manaova sonia toy ny mpanao politika rehetra. Iza, hoy ihany izy, no hanaiky ny hevitra bontolon-dry Marson hoe : 9 na 12 ny olona avy amin’ny Ankolafy 3 no hampidirina ao amin’ny CT sy CST ? rehefa izay dia mitaky ny hialan’i Camille Vital sy ny handravana ny governemanta sy ireo rafitra najoron’ny FAT, toy ny CST sy CT ary ny fialan’i Andry Rajoelina, ireo solontenan’ny Rodobe avy any amin’ny Faritra nandray fitenenanana ao amin’ny Magro omaly. Nambara tao fa dia hetsika lehibe no hatao manerana ny Faritra rahampitso sabotsy, mitaky ny fampiharana ny voarakitry ny tondrozotra. Notsaroana manokana tamin’ity omaly ity i Dr Julien, mpikambana tao amin’ny ankolafy Zafy Albert, izay nindaosin’ny fahafatesana vao tsy ela izay.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT