Politique

Victor Hong Ny fihaonan’izy efa-mianaka no alaolana


  • Alarobia 26 Oktobra 2011

Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fihaonan’izy efa-mianaka, dia i Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, sy izay avy amin’ny firehana hafa, izany hoe Ankolafy faha-5, hoy i Victor Hong manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena.

Tsy maintsy hatao io, hoy ihany izy satria na dia atao aza ny fizarana ny toerana dia mbola hanahirana indray raha tsy ireo filohana ankolafy ireo no hifandamina. “Dahalo politika” no manodidina an’i Andry Rajoelina, hoy ihany i Victor Hong kanefa izany dia tsy azo ekena. Tsy nivilivily moa ity filohan’ny fikambanana OFPACPA ity nilaza fa olona nanao trafikana andramena izany ve dia mendrika hitondra firenena ? Heveriny àry fa azo atao tsara ny manisy tovana na fanitsiana iny sori-dalana iny, ka ireo mpitarika ny ankolafy no hanatanteraka izany. Noho izany dia tsy misy afa tsy ny fihaonan’izy efatra ihany no alaolana. Momba ny kandida ho praiminisitra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert kosa izay nahabe resaka tato ho ato, nilazana fa avy amina antoko Leader Fanilo, dia nambaran’i Victor Hong fa efa niara-dia tamin’ny profesora Zafy Albert i Beriziky Omer hatramin’ny taona 1991, efa niara-niasa tamin-dRatsiraka sy Ravalomanana ihany koa. Nambarany moa fa na avy aiza na avy aiza rehefa mitovy hevitra dia manaiky izy ireo.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT