Nanamarika ny tsingerin-taona nahazoany ny Fahaleovantena ny Frantsay, omaly alahady 14 jolay lasa teo sy niantso ny rehetra ny masoivohon` I Frantsa eto amintsika. “Manao antso avo amin`ny fanjakana mba hampihena ny kolikoly,
mba hanantanteraka ny tena anjara andraikiny ny fitsarana ka hanatsahatra ny famotehana tsy ara-drariny ny zon` ny hafa, ny fangalana tsy ara-drariny ny fananan` ny hafa, ny fandrarana ny fivoahana any ivelany tsy misy fototra ara-dalàna, ny fanakonana valy faty, izay hita matetika.” hoy Veronique Vouland Aneini, masoivohon` i Madagasikara. Raha tsy tanteraka izany dia tsy ho sahy hanamaivana ny loza mety hiatra ireo mpampiasa vola tsy miankina izay tian` ny Filohan` ny Repoblika sintonina ho avy eto Madagasikara ireo. Izany no nahatonga ny AFD (Agence Francaise de Développement) nanangana miaraka amin` ny miniteran` ny Fitsarana fandaharan` asa goavana hampitaovana ny tribonaly fampiofanana ny mpitsara sy fampandry fahalemana ny fonja, hoy izy. Tsy hihena ireo fomba fanao ratsy raha tsy misy fanoloran-tena ara-politika mafonja. Miantso ny Fitondram-panjakana hatrany ny tenany mba hanamafy ny demokrasia izay mbola marefo, hanamora ny fisian` ny fanoherana mavitrika sy mandaitra, hifototra amin`ny rijan-tenin` ny lalàmpanorenana, ny manao andrimaso mba ho voafehy ny birioka ary ny fanararaotana ny fahefana izay mifanohitra amin` ny tany tan-dalàna. Nampiasa saina ny vondron` ny iraisam-pirenena manontolo ny fahalemen` ny demokrasia Malagasy ary tamin` ny taon-dasa dia tena tao anatin` ny fisalasalana hoy Veronique Vouland Aneini, masoivohon` i Madagasikara. Nambarany fa hikarakara ny Fihaonamben` I Parisy ny 11 sy 13 novambra ho izao ka ho isan` ny lohahevitra lehibe amin` ny fandinihana iraisam-pirenena ny fanamby momba ny fitananana. Nateriny fa manoloana ireo foto-pikasa goavana, an-drariny ho an` ny firenena, ny zava-tsarotra farany ary angamba lehibe indrindra dia miatrika ny zava-misy eto amin` ny firenena amin` izany lalana sarotra izany ny Frantsay ary vonona hanohana an` I Madagasikara.
Fatoram-pitosikana
Hihamafy ny fatoram-pitokisana misy eo amin`ny firenena roa tonta izay hiorina amin` ny fototra mazava sy mivaingana. Taorian` ny fihaonana nisy teo amin`ny Filoha Rajoelina sy ny Filoha Macron, filoham-pirenena frantsay, dia niara-nikaroka ny roa tonta mba ahafahan` ny fiaraha-miasa frantsay mamaly araka izay tratra ny zavatra andrasana ka teboka telo no nivoitra tamin` izany. Ao anatin` ireo mampifandray ireo, mikasika ny fiarovana ny fangatahana voalohany. I Lafrantsa, amin` ny alalan` ny fiarahamiasany eo amin` ny lafin` ny filaminana sy ny fiarovana dia hanohana ny tafika an` habakabaka sy ny fampiofanana ara-miaramila. Eo ihany koa ny ady amin`ny fijirihana sy ny fiarovna. Manaraka izany, ho jerena ihany koa ny fahantrana eo anivon` ny vahoaka marefo indrindra sy ny tanora. Hanohana indrindra ny Ministeran` ny fanabeazana fototra ny frantsay mba hahazo fanabeazana misy kalitao, hanatsara ny fanabeazana ho hifanaraka amin` ny tsenan` asa izay tokony handray tanora 500 000 tanora vaovao isan-taona. Farany, ny mahakasika ny fampandrosoana ara-toekarena. Ho tokanana amin` ny volana ho avy ny seranam-piaramanidina vaovao eto Antananarivo, ny fanamboarana ny rocade vaovao novatsian` ny AFD sy ny BEI. Tokony hanomboka amin`ny taona manaraka ihany koa ny asa fanamboarana toho-drano momba ny herinara-drian-drano goavana. Antoka ho amin` ny fifandraisana tsara kokoa sy fahazoana angovo sesehena amin` ny vindiny mora, tena ilaina amin` ny fampandrosoana. Hisy ministra Malagasy hankany Frantsa ato ho ato fa hisy ihany koa ministra Frantsay ho avy amin` ny volana ambony ary iraka parlemantera. Izany rehetra izany dia mampiseho fa mahaliana ny fizarana hery vaovao eto Madagasikara, hoy hatrany I Veronique Vouland Aneini, masoivohon` I Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.