Politique

Veliranon’Iarivo Lasa rano mively an’Iarivo


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Atero any amiko ny fako raha misy tsy voaroaka! Antananarivo tsy maintsy mandroso, mandroso, mandroso! Ho amboarintsika ny lalana.

Hanome asa ny mponin’Antananarivo fa tsy hanala ny asa efa misy. Santionany tamin’ireo lokaloka nataon’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny, Naina Andriantsitohaina, fony izy mbola nanao propagandy izany. Izany, hoy izy, tamin’ireny fotoana ireny no velirano ataoko amin’Iarivo na veliranon’Iarivo. 4 taona izay no lasa. Miha rano mively an’Iarivo hatrany ilay veliranon’Iarivo tamin’ny fotoan’androny ary ara-bakiteny io isaky ny fahavaratra. Tamin’ny andron’i ben’ny tanàna iza eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity tokoa moa no efa nisy izany hoe hatreny Anosy sy Mahamasina izany no tondraky ny rano raha tsy tao anatin’izao fitantanana izao? Na ny manoloana ny lapan’ny tanàna aza izao misy arabe loaka, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo olompirenena. Maro ireo mponin’Iarivo nanandra-bavaka nisaotra ny mpahary azy tany anaty fandaharana samihafa hatreny amin’ireo tambazotran-tserasera, raha ny hita omaly fotsiny, noho ny tsy nandalovan’ingahy Freddy, izay rivodoza voasokajy ho mahery vaika noho ny mahery vaika tamin’ny taona 1994 dia i Geralda, teto amin’ny “Tanànantsika” fa raha tsy izany angamba… asa fotsiny, hoy ny fomba fiteny izay!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT