Politique

VEHIVAVY TIM AO TALATAMATY Vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tananany sy ny firenena iray manontolo ireo vehivavy Tiako I Madagasikara ao anatin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Nasehon’izy ireo tamin’ny fahavononany sy ny firaisankinany izany nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy, nokarakarain’ny Ben’ny tanana Elie Dominic. Ankoatra ny fiaraha-mifaly teo amin’ireo vehivavy izay nofaranana tamin’ny dihy nandraisan’ny rehetra anjara dia nisy ny fiaraha-misakafo sy ny dinidinika nifanaovan’izy ireo ho enti-mampandroso ny tanana. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanohanana hatrany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay mahalala tsara ny fahasahiranana hiainan’ny vahoaka ankehitriny. Miisa 400 moa ireo vehivavy Tiako I Madagasikara ireo no tonga nanamarika izany fetin’ny 08 Martsa teny Talatamaty izany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny dihin’ireo vehivavy TIM ao Talatamaty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT