Politique

Vehivavy TIM Analamanga Nanome fanampiana an’i Ninie Donia


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Nanome fanampiana an’i Ninie Donia ny Vehivavy TIM Analamanga tarihan’ny filohany, Arphine Rahelisoa omaly. Ny 20 mey lasa teo, nanao hetsika ho fitadiavam-bola ny Vehivavy TIM Analamanga

tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana hoentiny miasa, sy ho fanomanana ihany koa ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM, hatao ny 1 jolay ho avy izao. Nandritra io fotoana io, nisy ny « téléthon » na tsipaipaika ho fanampiana an’i Ninie Donia nataon’ireto andriambavilanitry ny antoko Tiako i Madagasikara ireto, ka nahangona 300.000 Ar nandritra izany, ka io no natolotra an’i Ninie Donia izao, izay migadra tsy ara-drariny noho ny resaka politika any amin’ny fonjan’i Nosy-Be. Noho elanelan-tany, nalefa tamin’ny alalan’ny Mobile Money any amin’ny filohan’ny Vehivavy TIM Nosy-Be faritra Diana, Ramatoa Mariane izy io. Mbola hitohy izao tolo-tanana ataon’izy ireo ho an’i Ninie izao ho mariky ny firaisan-kiana amin’ity mpanakanto sady mpanao politika efa kandida ho depiote tao Nosy-Be tamin’ny lokon’ny TIM ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT