Vehivavy sy ny politika eto Afrika

Nametraka tantara i Gisèle Rabesahala


  • Talata 04 Febroary 2025

Teraka ny 7 may 1929 teto Antananarivo i Gisèle Rabesahala. Gisou, hoy ireo akaiky azy fahavelony.

Teo amin’ny faha 17 taonany izy dia efa mpitan-tsoratra tao amin'ny antoko politika MDRM na «Mouvement démocratique de la rénovation malgache». Antoko izay niorina ny 22 febroary 1946. Izany hoe isan’ireo mpikambana voalohany tao anatin’izany antoko izany ny tenany no vavolombelon'ny tranga niseho ny taona 1947 ihany koa, izay mbola mampametra-panontaniana hatramin’izao hoe tena tolom-bahoaka tokoa ve sa tsia? Izany indrindra no nampifoha ny fitiavan-tanindrazany ka nandrisika azy hitolona ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara sy ny fiarovana ny hasina mahaolona, hoy ny fanazavan’ireo akaiky azy. Nanangana fikambanana maromaro izy. Isany ny Fikambanan'ny tanora demokratika eto Madagasikara sy ny Antokon'ny kaongresin'ny fahaleovantenan'i Madagasikara na AKFM.
TENA SAHY NANDRAY ANDRAIKITRA
Izy no minisitra vehivavy voalohany indrindra teto Madagasikara ny taona 1977, izany hoe teo amin’ny faha 48 taonany. Vehivavy malagasy tsy natahotra fa sahy ary nijoro hatrany izy ho an’ny fahafahan’ny tanindrazana tamin’ny andron’ny fanjanahantany, raha ny fanazavàna hatrany. Namorona ny fikambanana Fifanampiana malagasy ny taona 1950 ho fiarovana ireo lasibatry ny fanenjehana noho ny ady amin’ny fahafahana. Namorona ny gazety Imongo Vaovao koa ny taona 1955, gazety izay feno 70 taona amin’ity taona 2025 ity. Tsy nitsahatra niady ho an’ireo verezin-jo sy tsy afa-mitroatra izy ho an’ny fahalalahana sy ny zon’ny olombelona. Ny ministeran’ny fanolokoloana sy ny zavakanto revolisionera no noraisiny ny taona 1977 ary nifofotra izy nandritry ny 14 taona naha-ministra azy nampiroborobo ny kolontsaina malagasy, ny tenindrazana ary ny vako-pirenena.

NAMETRAKA DIAN-TANANA GOAVANA…
Nanao politikan’ny boky izy ary nanonta ireo mpanoratra malagasy ho fanomezan-danja azy ireo. Nofidian’ny UNESCO ho «Femme dans l’histoire de l’Afrique», vehivavin’ny tantaran’i Afrika, izy ny taona 2013. Mba hahafahany manantanteraka ny nofiny sy hanampiany ny mpiray tanindrazana taminy dia nanome lanja goavana ny mahazava-dehibe ny fianarana izy ary nifofotra nianatra na dia mbola tena vitsy ary ny vehivavy navela handranto fianarana tamin’ny androny, hoy hatrany ny fampahafantarana natao momba azy. Isan’ny tena nanamarika indrindra tamin’ny fotoana naha minisitra azy ihany koa ny nandraisan’ny filoham-pirenena kobanina azy tany Cuba, Fidel Castro, ny taona 1990. Ny 27 jona 2011 moa izy no nodimandry teo amin’ny faha 82 taonany ary azo lazaina ho nametraka tantara, tsy ho an’ny vehivavy sy ny politika teto Madagasikara fotsiny fa ho an’i Afrika manontolo mihitsy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT