VEHIVAVY KANDIDA HO DEPIOTE

Nahazo fiofanana avy amin’ny CNFM


  • Zoma 03 Mey 2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

ho solombavambahoaka amin’ny datin’ny 29 May ho avy io ny Filankevitra nasionalin’ny vehivavy Malagasy na ny CNFM tarihin’ny filohany Estelle Andriamasy. Raha araka ny fantatra tokoa mantsy dia somary miraviravy tanana ny vehivavy amin’ny fidirana ao anatin’ny antoko politika eto amintsika. Ny fidirana ao anatin’ny fikambanana toy ny CMFM no maharisika azy ireny kokoa antony hanohanana sy hanampiana azy. Antom-pisian’ny CNFM rahateo ny hampanajana ny zon’ny vehivavy ankoatra ny fampiakarana sy fampitomboana ny tahan’mu fandraisan’andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fanaovana politika. Vehivavy am-polony avy amin’ny distrika miisa 18 noho izany omaly Alakamisy 05 May no nomena fiofanana teto an-drenivohitra. Ankoatra ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo rehefa tonga eo amin’ny toerana misy azy dia efa nisy ihany koa ny fiofanana nomena ireo vehivavy hiatrika ny fifidianana kaominaly. Tanjona ny hahatonga azy ireny ho olom-boafidy mahomby raha ny fanazavan’ny filohan’ny CNFM Estelle Andriamasy, mahavita ny andraikiny ho reharehan’ny vehivavy Malagasy rehetra.
Pati
Legende : Ireo vehivavy mpikambana eo anivon’ny CNFM sy ny filoha mpitarika azy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT