Vavolombelon’ny tantaran’i Madagasikara

Nodimandry ny Pr Françoise Raison-Jourde


  • Zoma 28 Jona 2024

Ny alin’ny 25 jona 2024 teo no nodimandry ny mpahaitantara frantsay, ny Pr Françoise Raison-Jourde,

nanana ny grady Professeure émérite d'histoire tao amin’ny oniversiten’i Paris VII. Efa nampianatra nandritry ny 8 taona teto Madagasikara izy ny taona 1965 hatramin’ny 1973 ary nanohy ny fampianarana sy fikarohany tao amin’ny oniversite voalaza teo aloha, Paris, Frantsa. Nivezivezy matetika teto Madagasikara ihany koa anefa izy na teo aza izany ary azo lazaina ho vavolombelon’ny tantaran’i Madagasikara mihitsy. Maro rahateo ireo mpampianatra mpikaroka, mpahaitantara, voalaza fa mbola nifanerasera taminy herinandro lasa izay ary tena mbola mahavita manampy azy ireo na dia efa voky taona, maherin’ny 90 taona aza ity mpahaitantara nahita vanim-potoana maro nolalovan’ny firenena ity. Maro ihany koa, mazava ho azy, ireo boky ara-tantara sy siantifika nosoratan’izany Pr Françoise Raison-Jourde izany mikasika an’i Madagasikara. Isan’ireo tena nalaza ny nitondra ny lohateny hoe «Paysans, intellectuels et populisme à Madagascar: de Monja Jaona à Ratsimandra», izay nifotorany ny zava-nisy ara-tantara ny taona 1960 hatramin’ny 1975, ary isan’ny nanaitra tao anatin’izany moa ny filazany fa tsy teo Ambohijatovo no maty ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 febroary 1975 fa efa tao amin’ny biraon’ny jeneraly Gilles Andriamahazo. Isany nosoratany ihany koa ny boky mitondra ny lohateny hoe «Bible et pouvoir à Madagascar au XIXe siècle: invention d'une identité chrétienne et construction de l'Etat, 1780-1880 », izay mifantoka amin’ny fifandraisan’ny baiboly sy ny fahefana teto Madagasikara teo anelanelan’ny taona 1780 hatramin’ny 1880 ary ilay boky mitondra ny lohateny hoe «La nation malgache au défi de l'ethnicité», izay mifototra amin’ny tantaran’ireo foko eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT