Vaton’i Dr Robinson

> Hiakatra avo roa heny no fanambin’Antsirabe I


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013


Raha ny tsapa-kevitra natao farany teto an-tanànan’Antsirabe I no asian-teny, hoy ny kandidà ho solombavambahoaka avy amin’ny Zanak’i Dada any an-toerana, Jean François Michel na Michel Ambalavato, dia azo antoka fa hiakatra hatrany amin’ny 70% ny salanisa ho azon’ny kandidà ho filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis amin’ity fihodinana faharoa ny 20 desambra ity raha 40 % izany tamin’ny fihodinana voalohany teo. Mazava loatra, hoy izy, fa hanaraka izany tsy am-pisalasalana koa ny vato ho azonay kandida solombavambahoaka miaraka aminy. Mitohy hatrany moa ny fitetezana Fokontany sy fanatonana ny olona eny ifotony ataon’ity kandida solombavambahoaka lah-25 ity, amin’ny fampandaniana miaraka azy sy Dr Robinson. Manohana azy 100% rahateo ireo mpikambana amin’ny tetezamita isany Rakotomiandrisoa Jean Ernest sy Didier Radert. Manaporofo izany, hoy ireto farany, fa ny tena Zanak’i Dada tsy miady seza izany satria ny tanjona iraisana dia ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana handehanana miaraka indray amin’ny tena fampandrosoana marina.

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT