Vatomandry

Mahatoky ny fandreseny i Sophie Ratsiraka


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Manolotra fisaorana feno ny mponina eto amin'ny distrikan'i Vatomandry manontolo ny tenako

tamin'ny fahamatorana sy filaminana nasehonareo mialoha sy nandritra ary tao aorian'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, hoy ny kandida solombavambahoaka tao an-toerana, Sophie Ratsiraka. Raha ny vokatra eto am-pelatananay azo avy tamin'ny birao fandatsaham-bato rehetra miisa 202 sy ny ampaham-bokatra avy amin'ny CENI dia mahazo 77% mahery amin' ny vato manan-kery ny tenako, hoy izy. Midika izany fa niara-nirona isika rehetra ao anatin'ireo kaominina miisa 21 mandrafitra an'i Vatomandry naneho ny safidintsika. Misaotra amin'ny fitokisana fa tsy handraraka ilom-by an-doha ny tenako ary mbola mila miaraka miandry am-pahendrena ny vokatra ofisialy isika rehetra, hoy hatrany ny tenany, nilaza ho nandresy koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT