Mahitsy sady mazava ny fanambaran’ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara momba ny raharaham-pirenena sy ny tontolo politika eto amintsika.
Manamafy ity antoko ity fa firehana roa ihany dia ny manohana an’i Andry Rajoelina sy manohitra azy no misy eto, fa resabe fotsiny ireo karazana vondrona politika mijoro etsy sy eroa ireo, ary karazana tetika hahazoana seza. Soso-kevitra no naroson’ity antoko ity amin’ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana dia ny hoe : zaraina mitovy ny anjara toeran’ireo ankolafy roa amin’ny fananganana ny andrim-panjakana. Atao zara mira ny toerana omena ny mpanohana sy mpanohitra an’i Andry Rajoelina, dia tokony ho sahy miseho amin’izay firehana arahana ireo mpanao politika tsirairay avy. Amin’izay tsy voafitaka intsony i Andry Rajoelina, hoy ny Vato Fehizoron’i Madagasikara fa fantany tsara avokoa ny tena momba azy sy manohitra azy.
Tsy misy izany «Centriste” izany eto araka ny fahitan’ny VFM azy, fa mpikarama an’ady politika no mameno tanàna. Efa tena mahamenatra ihany koa ankehitriny ny fandraisan’ny olona izany hoe mpikambana CT sy CST izany ary tsy anaram-boninahitra mendrika ny manampahefana intsony araka ny fanambaran’ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara, satria malaza mangalatra sy manolana zaza tsy ampy taona ny mpikambana CT sy CST ary be afera maizina sy manararao-pahefana. Misintona ny sain’ny tsirairay ihany koa ity antoko ity ny amin’ny hoe : fa nankaiza ilay hambom-pom-pirenena sy tsy miankin-doha nodradradradraina, fa toa ny fitsinjarana ny toerana amin’ny andrim-panjakana aza dia mbola iandrasana ny SADC ? Amin’ny VFM ihany koa dia tsy maintsy avy amin’ny mpanohitra ny praiminisitra vaovao fa tsy olona manodidina ny ankolafy Rajoelina.
Tsy azo iadian-kevitra intsony koa ny maha filohan’ny Komitim-pirenena momba ny fampihavanana ny Profesora Zafy Albert, hoy ny VFM. Mamerina ny antso avo efa nataony tamin’ireo mpanao politika ary ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara mba hampandefitra ny hambom-po, hanafoana ny fitiavan-tena ary tena hijery ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy. Feno ireo fepetra telo ireo vao tena hilamina ny asa rehetra atao ao anatin’ny tetezamita araka ny fahitan’ity antoko ity azy. Mba tena hampitoetra tsara ny tsy fitanilàna dia tsy tokony hisy ho kandida amin’ny fifidianana rehetra hokarakaraina ireo olona ao anatin’ny tetezamita araka ny fahitan’ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.