Politique

Vary lafo, solika tsy takatra, jirama manaikitra Fampandrosoana mipaka isan-tokantrano hoe e ?


  • Zoma 06 Janoary 2023

Ny vary iray gony eny an-tsena io efa manafosafo ny 150.000 Ariary. Ny 1 kilao aminy moa dia efa kely sisa dia naman’ny mora indrindra ny 3000 Ariary. 4.809,82 Ariary

omaly ny sandan’ny vola eoropeanina na ny Euro. Hita ho niha nitontongana anefa ity vola eoropeanina ity tao anatin’izay ady nisy teo amin’ny firenena Rosianina amin’I Okrainina sy ny OTAN izay. Na eo aza izany dia io iaraha-mahita fa manafosafo ny 5000 Ariary io ny sandan’ny vola Euro, izay midika fa mihen-danja ny vola Malagasy (ariary). Mihen-danja satria be loatra ny famoahana vola vahiny amin’ny fividianana ireo entana afarana, tsy arakarak’izay anefa fa tena mbola ambany ny fanondranan’i Madagasikara entana. Mbola tena ambany ihany koa ny famoronana asa, kely karama ny ankamaroan’ny Malagasy hany ka misy akony eny amin’ny tsena sy ny fanjifana izany. Manao izay tsy hahafaty aloha no atao eto fa tsy miaina izany, hoy ny mpahay toekarena iray. Aiza ho aiza ao anatin’izany rehetra izany izany ilay resaka hoe efa mipaka isan-tokantrano ny fampandrosoana entin’ity fitondrana ity? Mbola tsy resahana akory ny fikaikaikan’ny olompirenena amin’ny fidangan’ny vidin-tsolika sy ny tsy fandriampahalemana mitombo sy ny fanambanan’ny JIRAMA hampiakatra 15% ny saran’ny fampiasana herinaratra ao anatin’izao delestazy izao. Fampandrosoana ho any amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ve ilay resahana sa fampandrosoana loharanom-pahantrana hafa indray?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT