Vaovao Benjamin

« Ny mpanohitra hita, fa ny volamena sy faty mikararana tsy hita ! »


  • Alatsinainy 07 Jolay 2025

Anisan’ireo nandray anjara fitenenana nandritra ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny Antoko TIM

ny sabotsy teo Atoa Vaovao Benjamin, Sekretera Nasionalin’ny Arema teo aloha, anisan’ny niara-dia tamin’ny volomboasary tamin’ny 2009, izany hoe nanongana ny Fitondrana Ravalomanana. Nilaza ity farany, fa mampanontany tena no sady mahavariana ihany ny zava-misy eto amin’ny firenena, ary tsy misy zavatra hitan'ny fitondrana afa-tsy ny mpanohitra. « Nilaza mantsy ny Praiminisitra fa vao mihetsika ny mpanohitra dia hitany (…) kanefa dia volamena 73 kg mivoaka eny ivato tsy hitany, volamena mivadika vy tsy hitany, ireo fanadihadiana ny faty mikararahana tany amin’ny faritra Analanjirofo, tsy hitany » hoy Atoa Vaovao Benjamin tsy nitsitsy fitenenana. Ity farany izay tsy vao sambany no naneho fa nandiso fanantenana ny fitantanan-dRajoelina. Roa volana lasa, nandritra ny fandaharana manokana nataony tamina fahitalavitra iray no efa nilazany fa tena tsy arakaraka ny niheverana azy ny nafitsok’i Andry Rajoelina. « Nanantena izahay fa hanao ny tsara mihoatra ny filoha Ravalomanana ilay ben'ny tanana notohananay, fa izaho aloha miteny aminareo tsy ampihambahambana nisy ampahany nandiso fanatenana, ary tena nanenenako indrindra ny fahalalahana maneho hevitra izay tsy tahaka ny tamin'ny 2002 sy 2009. », hoy Atoa Vaovao Benjamin tamin’izany. Notsipahanay marin-drano, hoy izy, ny zavatra notakianay rehefa azonay ny fitondrana. Rehefa nandeha ny fifandaminana rehetra, natao ny fanovana lalàmpanorenena, dia tsy misy tanteraka ny voasoratra ao. Ankehitriny mahery vaika loatra ny kolikoly, mahery vaika ny tery vay manta ka ny miaramila tokony hiaro vahoaka lasa mpiaro ny 13 mey, ny volamenantsika mivoaka mikararana,… Tsy vao sambany tamin’io mpanao politika io moa no niteny mitovitovy amin’izany, fa betsaka amin’ireo tena teo anilan-dRajoelina tamin’izany no efa nikisika sy naneho fa tena tsy arakaraka ny lokaloka tamin’izany no niseho, raha tsy hilaza afatsy ry Christine Razanamahasoa, Hajo Andrianainarivelo, Fidèle Razarapiera,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT