Politique

Vaovao Benjamin Mitovitovy fisainana amin’ny filohan’ny tetezamita izahay


  • Talata 15 Novambra 2011

Vaky ny lelan’ny CST Vaovao Benjamin nilaza fa ny nahatonga an-dry zareo hiaraka amin’i Andry Rajoelina dia satria mitovitovy ny fisainana.

 Manana olana foana ny mpanao politika, hoy izy, fa rehefa eo amin’ny fitondrana dia toa tsy mahita n’inona n’inona fa rehefa ety ivelany lasa mpanohitra dia mahita ho kianina foana. Nalainy ho ohatra ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo izay nankasitraka ny filohan’ny tetezamita tany am-boalohany nefa rehefa tsy notazonina ho praiminisitra intsony dia nitonona ho mpanohitra. Ho an’ity mpanao politika mpitarika ny elatra Arema ity dia mazava ny heviny mikasika ny fitsinjarana ny ministera ho avy fa tokony ho an’ny mpomba ny fitondrana tetezamita ankehitriny ny ministeran’ny fiandrianam-pirenena rehetra. Tenina mpanao politika efa karapilo izany ka mifono hevi-dalina amin’ny kajikajy politika fanao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT