Mitohy ny fitetezana faritany izay tarihin’ny filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, anaovana fakan-kevitra hanatsarana ny fomba fiasa.
Atrikasa ho fanatsaranana paikadin-tserasera sy paikadim-panabeazana ireo mpifidy, latabatra boribory sy varavarana misokatra ho an’ny rehetra ho fampahafantarana ny drafitrasan’ny CENI 2022 – 2027 ary ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasionaly no votoatin’izany, hoy ny fampitam-baovao ny sabotsy teo. Nanasana ny fiarahamonim-pirenena sy haino vaikijery, ireo antoko politika sy ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny antokom-pinoana samihafa ary ireo olobe sy solontenam-panjakana eto an-toerana izany. Manamafy hatrany ny CENI na ny vaomiera misahana ny fifidianana eto amintsika fa mila fifanomezan-tanan’ny rehetra sy fandraisana anjaran’ny mpisehatra tsy an-kanavaka ny fahombiazan’ny zotram-pifidianana ka anton’izao fidinana ifotony tanterahina izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.