Vao mainka miha tsy mazava ny antom-pisian’ny CENI

Ny volam-panjakàna nefa laniana aminy


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Nanamafy moa ny faran’ny herinandro teo ny antoko politika Natiora ny faran’ny herinandro teo

tamin’ny alalan’ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, fa izay firenena misy na nisy CENI rehetra dia mikorontana na koa hoe nikorontana avokoa. Ny CENI na hoe vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana raha adika amin’ny teny malagasy dia voalaza fa rafitra natao hikirakira, hisahana ny raharaham-pifidianana ary natao hamoaka ny voka-pifidianana ihany koa. Ankehitriny anefa dia misy ilay rafitra antsoina hoe SPATREC, izay raha ny fanazavan’ny filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo, dia tena mitovy tanteraka amin’io andraikitry ny CENI matetika io mihitsy koa izany ny asan’io rafitra vaovao natsangana tsy ela io. Etsy ankilany, raha neverina ho rafitra natao fanaterana ireo fitarainana isan-karazany mikasika ny tsy fahatomombanana rehetra taratra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana hatramin’izay izany CENI izany dia ireny niaraha-nahita ny zoma teo ireny ny valin-tenin’ny filohan’ilay rafitra fa tsy misy idiran’izany CENI izany ny famaliana ny ankamaroan’ireo fitarainana noraisin’izy ireo tao anatin’ny dingana mahakasika ny fifidianana na «processus électorale» tao anatin’izay vanim-potoanan’ny fifidianana, nanomboka tamin’ny fampielezankevitra nialohan’ny fotoana, nandalo tamin’ny propagandy sy fifidianana, hatramin’izao vanim-potoana famaliana fifidianana izao. Vao mainka miha tsy mazava ny antom-pisian’ny CENI ankehitriny, araka izany, saingy ny volam-panjakàna nefa laniana aminy hatrany. Tsiahivina nefa fa talohan’ny taona 2009 dia ny minisiteran’ny atitany ihany dia efa nahafahana nanatanteraka ny dingana mahakasika ny fifidianana rehetra. Moa ve ireny fotoana ireny nandaniana volam-panjakàna lavitra mihoatran’ny ankehitriny? Toa vita ihany ireo fifidianana nokarakaraina rehetra ary toa latsaka alavitra ambany noho izao aza ny karazana fitarainana sy fitoriana voaray mikasika ireo voalaza ho tsy fahatomombanana toy ireo voatanisa ankehitriny? J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT