Vangaindrano : mitaky ny hanafahana an’i Mahavitara

Nidina an-dalambe ny vahoaka, nafana ny fifandonana


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Niroso tamin’ny fihetsiketsehana ny vahoakan’i Vangaindrano ny faran’ny herinandro teo,

mitaky ny hamotsorana ny depiote voafidy Mahavitara Sylvestre, izay nosamborina ny 06 aprily 2024, ary nampidirina am-ponja teny Antanimora 3 andro taorian’izay. Nohelohina higadra 5 taona an-tranomaizina, 5 taona tsy mahazo miandraikitra asam-panjakana, 5 taona tsy mahazo manao politika, ary mandoa onitra 120 000 000Ar, araka ny didim-pitsarana ny 06 jona teo. Adminisitratera sivily, efa mpiasan’ny Banky Iraisam-pirenena, mpiasa teo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalam-bahoaka i Mahavitara Sylvestre ka fanodinkodinana volam-panjakana tao amin’io Minisitera io no voalaza fa vesatra nanenjehana sy nanamelohana azy. Nisy anefa ny fampiakarana nataon’ny mpisolovava, izay voalaza fa nampiato an’izay didy izay, ka rahampitso 09 jolay amin’ny 8ora sy sasany ny fitsarana raha ny vaovao azo. Andaniny, mitaky ny hamotsorana azy ireo vahoaka ao anatin’ny kaominina 31 mandrafitra an’i Vangaindrano, ary niditra an-tsehatra manohana izany ireo avy amin’ny Sud Est sy ny BAAM ahitana ny Betsileo, Antesaka, Antandroy, Antemora, Makoa, Antanosy,… tarihin’i Rasambozafy Cyril. « Misaotra betsaka amin’ny vahoakan’i Vangaindrano manaja ny safidiny ary tsy mihemotra. Marina fa misy lalàna ny filaharana amin’ny sisiny, saingy amin’izao dia tsy misy mahasakana ny vahoaka. Hita sy azo raisin-tànana ny fitiavan’ny vahoaka an’i Mahavitara Sylvestre, koa manamafy amin’ny Fanjakana mahefa ny hanajana ny safidim-bahoaka sy hamoahana tsy misy hatak’andro ny solombavambahoakan’i Vangaindrano izay nofidian’ny vahoaka na dia nogadraina aza », hoy Rasambozafy Cyril. Raikitra ny diabe sy filanjana sora-baventy niainga teo amin’ny Shell niazo ny tetezan’i Menagnara, avy eo nitohy hatreny amin’ny Biraon’ny Fivondronana, ka vahoaka tsy latsaky ny 3000 no nandray anjara. Andaniny, nahetsika ny mpitandro ny filaminana, izay tena hary fitaovana, ka nalaina ny « mégaphone » sy ny sora-baventy. Nilaza fa tsy mahazo mandeha amin’ny arabe ny vahoaka. Nirodorodo nanao sakana, nibahana, saingy nahery vaika ny tosiky ny vahoaka, ka vaky ny barazy, nihemotra ireo mpitandro ny filaminana,… Niafara tamin’ny tifitra lakrimozenina niradraraka, izay vao mainka nampiakatra ny maripana. Nisy ihany koa ireo voasambotra, saingy vao mainka nanohy ny hetsika ny olona omaly alahady.

« MISY RAHARAHA HAFA MILA HIJOROANA »
Andaniny, nilaza Rasambozafy Cyril isan’ireo mpitarika fa lehibe ny vita tamin’ny fanaovana velirano tsy hisaraka fa hitambatra hatrany. Ny 09 jolay izao no mivory voalohany ny depiote, ary mety hisy fampiadiana hoe : alefa ny lisitra faharoa mba hampiadiana ny vahoaka, fa ny fanamafisana ny fitakiana ny famoahana an’i Mahavitara Sylvestre, hoy ny fanamafisana. « Koa antso no hatao amin’ny rehetra, hitsangana satria ny an’ny vahoakan’i Vangaindrano dia i Tara, fa ny an’i Vondrozo ihany koa dia i Mme Pauline, ary ny any Ihosy dia Ranary tsy atoro fa hita. Maro no manana olana toy izao koa sahia mitsangana ry Malagasy, fa izao no fotoana », hoy hatrany Rasambozafy Cyril nampahatsiahy fa maro ireo raharaha mila fijoroana any amin’ny Sud Est toy ny fitsimbadihan’ny fifidianana tany Vondrozo sy Ihosy, fa tsy ny tao Vangaindrano ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT