Valy boraingina sy vava tsy ambina

Sao dia tokony hiverina hianatra


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

fitantanana ny manampahefana sasany e ?

Raha tena raiamandreny sy olon-dehibe tokoa dia mahay manaja tena sy mahay manaja ny hafa. Tsy resaka hoe diplaoma na hoe nianatra be sy nianatra kely, fa farafahakeliny tokony fantatra sy hay izay. Mitovitovy amin'izay raha fintinina ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena maro taorian'ilay valiteny boraingina sy endrika fanambaniana nataon'ny jeneraly Richard Ravalomanana tamin'ny mpanao gazetin'ny l'Express de Madagascar ny faramparan'ny herinandro teo. Angaha vitan'izay fa rehefa sahy niteny ny tsy tokony hanaovana tsindry aloka na fandrahonana ny mpanao gazety manao ny asany ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) dia namoaka fanambarana 4 pejy ny antenimierandoholona, efa maharesy ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra raha ny halavany no jerena. Raha ny votoatiny indray dia tsy inona fa mbola fanamafisana hatrany ny don-tandroka natao tamin'ilay mpanao sy fiarovana ny filohan'io andrimpanjakana io. Asa hoe efa tena ankafizin'ny ao amin'ny "sénat" tahaka ny fanaovana akanjo miravaka medaly mihitsy angamba ilay be kabary sy manome lesona ny hafa Raha nahay nitondra tena ingahy jeneraly, tsy nisy resabe iny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety iny. Fa efa maro loatra hatramin'ny andron'ny fitondrana tetezamita ny fomba fiteniny hafahafa sy tia manamaivana ny asan'ny hafa ka rariny raha nanao fanambarana ny holafitry ny mpanao gazety, samy mila mianatra fa tsy misy tapi-pahaizana izany, afaka mifampiteny sy mifanitsy , tsy misy na dia iray aza eto ka manana ny fahamarinana 100%. Fa mila mifanaja kosa ary raha tena manan-tsaina marina dia mahay mandanjalanja izay aloaky ny vava fa tsy maika hanambany ny hafa fotsiny. Rehefa izy sy ny ekipany no manao ny tsy dia hoe voafitaka ary efa nesoriko ilay mpanolotsaina. Fa rehefa ny hafa no manontany dia hoe : ndana miverina mianatra aloha, na hoe rehefa tsy mahazaka zanabola dia aza mindram-bola amin'ny banky. Sao dia tokony hiverina hianatra hitantana firenena marina aza ireto manampahefana sasany ireto satria tsy ampy namantarany ny mety sy tsy mety amin'ny fitantanana ny 16 taona (2009 ka hatramin'ny 2025) naha teo azy ireo ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT