Politique

Valy bontana ao amin’ny APMF “Tapi-dalan-kaleha ny Sendika lany daty”


  • Talata 20 Septambra 2022

Sesilany ny valin-kafatra avy ao anatin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) eo anatrehan’ny fihetsika voalaza fa ataon’ireo olom-bitsy mpitarika sendika,

ambaran’ny andaniny fa efa lany daty, ary efa tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato. Isan’izany ny filazana ny Tale Jeneraly ho tsy mahay mitantana, natorohana ho mpiratsy tikombakomba amin’ny fiaraha-miasa amin'ny Britanika. Momba ilay fampiasana Balise AIS, fitaovana entina manara-maso ny làłan'ny sambo, hahafantarana ny hafainganam-pandehany ary ny toerana misy azy sy ny sisa. Nanamafy ny eo anivon’ny APMF fa teknolojia avo lenta io Balise antsoina hoe AIS io, ary efa nitondran’ny Tale Jeneraly Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond fanazavana antsipirihany. Raha tsiahivina dia niainga avy tamin'ny fifanakalozana traik'efa fony izy tale Jeneraly tao amin'ny CFIM no nentina nampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin'ny Britanika. Nisy tamin'ireo AlS efa novidian'ny APMF mialohan'ny hitondran'ny Tale Jeneraly ankehitriny ary nisy 800 tany ho any koa nomen'ny Britanika hoy ny fanazavana. Tsy afaka am-piasaina raha tsy misy ilay antsoina hoe Plate-forme ilay azon 'ny APMF taloha, ary ampiasana zanabolana kosa ilay nifarahana tamin'ny Britanika izany hoe tena ilay fitaovana manara-penitra. Nohazavaina sy noporofoina an-tsary fa mandeha tsara ny fanamboarana sy ny fanatsaràna ireo seranan-tsambo, na ny an-dranomamy. Vao tamin'iny herinandro lasa iny izao, vao nisy mpiasa nalefa hianatra sy hiofana any Frantsa, ka izany rehetra izany ve dia hilazana fa misy tsy fahaiza-mitantana, hoy ny fanamarihana. Nilaza ny Tale Jeneraly fa 5 miliara ny vola novantaniny tao, izay mifandanja tamin'ny karaman'ny mpiasa, kanefa dia vitany ny mampiodina ny APMF, miaraka amian'ireo tetikasa hampandrosoana ny tontolon'ny asan'izy ireo. Manitrikitrika noho izany ny mpitantana fa fanakotontanana ny ataon'ny Sendika nivoy fanaratsiana tamina hainao vaky jery ireny.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT