Politique

Valin-kafatra amin’ny antso dinika fifidianana


  • Alarobia 03 Mey 2023

Izay voalazan’ny lalàna ihany no tokony harahana”

Raha samy manombatombana ny mpanaraka ny raharaham-pirenena fa hafampana ny fivorian’ny Antenimiera amin’ity indray mitoraka ity manoloana ny rivotra politika milohan’nyy fifidianana, dia nilaza kosa Rtoa Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimierampirenena omaly 02 may, fa efa nafana foana ny ady hevitra tao Tsimbazaza amin’ny maha lapan’ny demokrasia azy. Tsy midika ho korontana anefa, hoy izy, ny ady hevitra mafana. Mitana ny sain’ny rehetra ny raharam-pifidianana, ka isan’ny navoitran’io Filohana andrim-panjakana io fa, « tokony ho izay voalazan’ny lalàmpanorenana ihany no harahina, mila hita taratra amin’ny LFR na tetibolam-panjakana asiam-panintsiana ny tetibola ahavitana ny fifidianana ». Nohamafisiny eo eo anatrehan’ny fisiana mpanao politika mandroso hevitra momba ny hanaovana dinika mialoha ny fifidianana. Eo ihany koa ny fanehoan-kevitra samihafa ataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny FFKM,… Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena fa tokony ho ny voalazan’ny lalampanorenana ihany no arahina. Tohizana hatrany ny asa maneho fahavononana hiroso amin’ny fifidianana na tsy fantatra aza ny havoakan’ny rahampitso, hoy ity depiote IRD sady filohan’ny antenimieram-pirenena ity. Milaza mantsy ny mpitondra fa fa efa mizotra araka ny lalàna mifehy ny fifidianana ny asan’ny CENI. Tafiditra amin’izany ny fanolorany tetiandro hanaovana fifidianana. Eo ihany koa ny fisokafana amin’ny an-kolafin-kery rehetra amin’ny fanehoan-kevitra sy fitsirihana ary fanaraha-maso ny asa ataony,... Niantso sy namporisika ny olom-pirenena rehetra hanamarina ny anarany anatin’ny lisitry ny mpifidy isam-pokontany ity filohana Andrimpanjakana ity. Adidy, hoy izy, ny fanaovana izany, araka ny voalazan’ny lalàna. Tena hitondra makany amin’ny filaminana ve ny ho fizorana amin’ny fifidianana ao anatin’izao toe-draharaha politika sy fifampiahiana mitombo izao? Midika ve izany fa tsy vonona ny hiroso amin’ny dinika politika indray ny Mpitondra volomboasary? Inona no sary politika mety hitranga ato ho ato?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT