Valim-pifidianana kirakirain’ny HCC

Mahavariana ihany raha ho tafavoaka anio sahady


  • Zoma 01 Desambra 2023

Taitra ny ankamaroan’ny mpanara-baovao omaly nahita ny sarin’ny zava-misy teny amin’ny HCC na Fitsarana avo

momba ny lalàmpanorenana eny Ambohidahy eny. Rakin-tsoratry ny valim-pifidianana manerana ny nosy, raha ny fahitana azy avy ety ivelany, ary mifono anaty gony maro no misy maka sy mijery tsirairay. Taratasy io dia jerena amin’ny tanana, toy ireny mijery laza adina amin’ny BEPC na Bakalorea ireny. Ireo gony amin’io miparitaka eraky ny efitrano. Izao no fikirakiran’ny HCC ny valim-pifidianana nataonareo lazainy fa manan-danja, hoy ny mpanara-baovao sasany. Mahavariana ihany raha ho tafavoaka anio sahady ny vokatra ofisialy mikasika izany raha ireny tranga hita ho niseho omaly ireny aloha ary dia apetraka ihany koa ny fanontaniana mikasika ny hoe aiza ho aiza ao anatin’ireny izany ny fampiasana ireo lazaina fa tekinolojia avo lenta na rindram-baiko manaraka ny toetr’andro? Inona no antony tena hiazakazahana amin’ny famoahana ity raharaha ity? Isan’ireo fanontaniana heverina fa fototra mila valiny miaraka amina porofo mafonja izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT