Politique

Valifaty politika Raikitra ny adin’ny IRD sy ny HVM


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Nosamborina sy naiditra am-ponja eny Tsiafahy i Mbola Rajaonah mpanolotsain’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nohetsehina ny dosie ka nohelohina higadra sy hiasa an-terivozona i Claudine Razaimamonjy.

 

 

 

Namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara na IST ny minisitry ny paositra teo aloha Maharante Jean de Dieu, ny Tale jeneralin’ny Artec Briand Randrianirina ary niely tato anatin’ny fotoana fohy fa tratran’izany ihany koa Rtoa Onitiana Realy vadiny izay minisitry ny mponina teo aloha ary Talen’ny fampielezan-kevitr’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana. Maro ny afera ambara fa mahasaringotra ireo olona henjehina toy ny fanangonan-karena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, fanodinkodinana volam-panjakana,... Zava-dehibe tokoa ny resaka ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ka izay nanao ny tsy mety na iza na iza dia mendrika ny hofaizina araka ny lalàna tokoa raha mitombina ny fiampangana. Miezaka mampiseho amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny fitondrana fa mampihatra ny tany tan-dalàna sy miady amin’ny kolikoly mba hirotsahan’ny famatsiam-bola ezahina tangirihina etsy sy eroa. Karazan’ny miharo valifaty politika anefa ireny rehefa jerena avy aty ivelany. Toa nifanandrify tamin’ny resaka famoaham-baovao somary manindrona ny fitondrana, fanehoan-kevitra tsy sitrany, toy ny vaky bantsilana nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa asa efa nataon’ny HVM sy notokanany ny fitarihan-drano lehibe na ny “Pipeline” any Atsimo. Raha kolikoly tsy vao izao, ary maro ny olon’ny fitondrana ankehitriny manana dosie maloto. Nisy, ohatra, ny ampamoaka nataon’i Fleury Rakotomalala izay nilazany fa ananany dosie sy porofo mivaingana tamina fakana 80 miliara Ariary tao amin’ny JIRAMA tamin’ny tetezamita, izay fifanarahana maloto tamina tsenam-baro-panjakana, toy ny resaka milina tsy mihodina akory, fikojakojana tsy misy akory … Atao mahagaga ve raha milaza ny praiminisitra Ntsay Christian ankehitriny fa 1.000 miliara ariary ny fatiantoky ny Jirama. Minisitra iray teo aloha ary mbola manana andraikitra any an-dapa any manana dosie any amin’ny Bianco sy ny PAC mombana fanodinkodinana fiara tsy mataho-dalana 9 fa mangina ilay dosie.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT