Valery Ramonjavelo

Niaro tena, niaro ny Fanjakana, sinema sisa…


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Andro maromaro taorian’ny fanesorana azy tamin’ny toerany,

nanao fanambarana ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha Valery Ramonjavelo. Nankasitraka ireo rehetra nambarany fa naneho ny fanohanana. « Ninia nangina aho hatramin’izao, na dia teo aza ny fanaratsiana sy fanalam-baraka, ho fanajana ny andrim-panjakana eto amintsika sy mba tsy hanelingelina ny fanadihadiana. Matoky tanteraka amin'ny dingana atao aho,… Ny marina dia hambara manontolo amin'ny fotoana mety. », hoy Valery Ramonjavelo. Nilaza ity minisitra ity fa na ny filohan’ny Repoblika na ny Praiminisitra dia tsy nampahafantarina ireo dingana ara-teknika ireo talohan’ny nivoahan’ny raharaha ampahibemaso. Nanambara ihany koa fa tsy misy hidiran’ny fianankavian’ny filoham-pirenena ihany koa ny afera, ka aminy dia tsy rariny ny fanenjehana. Niaro tena mafy ihany koa moa ity Minisitra teo aloha ity, ka nilaza fa ny fanomezana laharana vonjimaika ny fiaramanidina dia asa tena voafehin’ny lalàna, fehezin’ny fenitra iraisam-pirenena hentitra, indrindra ny an’ny OACI (Organisation Internationale de la Aviation Civile). « Ny zavatra rehetra nataoko dia natao tamin'ny fanarahana ny fitsipika sy ny fiaraha-miasa amin'ny manampahefana mifandraika amin'izany. Tsy nisy fotoana nandraisako fanapahan-kevitra ivelan'ny rafitra ara-dalàna. », hoy i Valery Ramonjavelo. Nilaza fa efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra mahefa amin’izao fotoana izao ny ahiahin’ny hosoka sy fampiasana taratasy hosoka, ka naneho fa anjaran’ny fitsarana ny mametraka ny zava-misy sy mamaritra ny andraikiny mifanaraka amin’ny lalàna. Nilaza fa matoky tanteraka an’ireo andrim-panjakana eto i Valery Ramonjavelo. Inona izany no antony nanesorana ity Minisitra ity raha ara-dalàna no nataony ? Tao anatin’ny fifamaliana ara-taratasy teo aminy sy ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) dia efa nifanipaka satria izy nilaza fa tsy nahalala sy tsy nampahafantarin’ny ACM, kanefa ny Tale Jeneralin’ny ACM nilaza baiko avy aminy. Izao indray milaza fa nanaraka ny fitsipika sy ny lalàna ny zavatra nataony. Dia inona izany no marina ? Inona no tambin’ny fanomezana ireo laharana fiaramanidina izay tsy azo eritreretina fa maimaimpoana ? Fiaramanidina nolazaina fa hampiasain’i Madagasikara amin’ny sidina lavitr’ezaka anefa no resaka eto, nolazaina fa hamboarina mialohan’ny hitondrana azy ity, ka nomena laharana vonjimaika. Olona niara-nihosona tamin’ny mpitondra no voatondro ho isan’ny atidoha, saingy tsy vitan’olon-droa ny resaka fiaramanidina 5 izany fa mila Fanjakana saingy manadio tena avokoa ka sa matoatoa angamba no tompon’antoka amin’ity afera ity ? Sady niaro ny tenany ho tsy nandika lalàna ity Minisitra ity no niaro mafy ny Fanjakana foibe tarihin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ho tsy tafiditra sy tsy nampahafantarina an’io. Efa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tany na IST ity minisitra ity ka midika fa hohenjehina sa sinema no betsaka ? Tsy dia misy marina antenaina hivoaka raha ny eto fa ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena no asa !?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT