Politique

Vaky bantsilan’ny depiote Brunelle “Fanjakana tsy mahay io, tsy mahalala ny tokony hataony”


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Naman’ny vaky tanteraka ny ady eo amin’ny Depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Atoa Brunelle Razafitsiandrafo sy ny Fanjakana ankehitriny.

Natsikafon’ny Depioten’Ikongo ny tsy fahaiza-mitantan’ny Fanjakana, ary nilazany fa herim-po very maina ny ezaka rehetra nataon’izy ireo tamin'ny fanohanana ity fitondrana ity. “Nolazaina fa lahimatohan-dRajoelina ny depioten’Ikongo araka ny famaritana nataon’I Augustin Andriamananoro, kanefa izao no mahazo an’Ikongo. Lahimatoa ve dia ataonao izany, vahoaka nifidy anao amin’ny isam-bato ambony dia sazianao tahaka izao, fahirano izao atao amintsika izao. Notsiahiviny, fa tamin’ny 2020 nikabary izy, nampahafantatra ny vahoaka hoe: hanomboka ny fanamboarana ny RNT14A fa misy vola 5,360 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana hanaovana an’io. Mandrak’ity ny androany, tsy nisy asa tsy nanomboka, tsy hay izay nalehan’ny vola, na fanamboarana ireo “point noir” aza tsy misy,... Nomena “gymnase” i Ikongo saingy mihantona ny asa, 6 miliara Ar no nanaovana azy. Nilaza ity depiote ity, fa raha governemanta mahay dia tsotra, ny zavatra mampikaika an’Ikongo dia ny làlana . “Tsy mahay ianareo, fa raha tena mahay ianareo dia fantatrareo ny atao hoe: “priorité” na laharam-pahamehana… Raha olona misaina ianao, raha olona mandinika dia fantatra hoe: inona no tokony hatao aloha sy tanterahina! Izahay fotsiny, fa tsy mahay ianao dia ny vahoaka no mijaly”, hoy I Brunelle Razafitsiandraofa tsy nihambahamba. Tamin’ny 20 febroary 2023, hoy izy, nisy vazaha antsoina hoe: Louis Felipé Lopez Calvin Tompon’andraikitra nanao tatitra fa “2012-2022, Madagascar tombé dans une décénie pérdue”, na 10 taona very ho an’I Madagasikara momba ny fampandrosoana. “Tsotra ny ahy, tsy mahay rangahy ilay mpitondra antsika a! « gouvernement icompétant » !”, hoy hatrany izy nanamarika fa asany amin’ny maha depiote mpanara-maso ny mpanatanteraka ny azy. Izaho eto dia miteny hoe: tsy mahay ny mpitondra antsika, hoy izy. Nambarany fa voizina ny hoe: tsy amboarina ny làlan’Ikongo amin’izay sahirana ny vahoaka dia tsy hifidy an’I Brunelle, fa izaho anie manazava aminareo fa tsy asako io, tsy mitantam-bolam-panjakana, tsy nikitika ny volan’ny CLD na depiote nanomboka febroary 2014, mitondra ny fitarainanareo no anjarako, mitaky ny anjara tokony ho anareo”, hoy io depiote io. Ny niara-dia tamin’izao fitondrana izao an-taonany maro aza moa efa sahy manabaribary fa tsy mahomby sy tsy mahay izao fitondrana izao mainka fa ny Malagasy mizaka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT