Mahalasa saina ny maro ny fivoahan’ny vokam-pifidianana ao amin’ny CENI-T amin’izao fotoana, na dia vokatra vonjimaika ihany aza. Miteraka resabe izany ao Antsirabe amin’izao fotoana ary maro ny tsy mino an’io vokatra avoakan’ny CENI-T taterin’ny haino amanjerim-panjakana io. Raha ny hita sy natrehin’ny maro tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra sy ny manodidina dia mitarika tsy latsaky ny 60% ny kandidà Dr Robinson Jean Louis, saika nanerana ny Distrika io kanefa dia ny vokatra tsy feno amin’ny salan’isa ambany hatrany no re ao amin’ny radiom-pirenena. Velon’ahiahy araka izany ny maro indrindra ny Zanak’i Dada ka efa tonga amin’ny hevitra hitakiana ny fampitahana ny vokatra toy ny tamin’ny taona 2002 tamin’ny andron’ny filoha Ratsiraka. Eo ampiandrasana ny vokatra feno vonjimaika avoakan’ny tompon’andraikitry ny CENI-T moa dia miantso ny vahoaka ao Vakinankaratra ho tony tanteraka ny mpitarika sy mpanohana an’i Dr Jean Louis Robinson mba tsy ho tafiditra anatin’ny velam-pandriky ny hafa amin’ny resaka fanakorontanana mety hitranga.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.