Politique

Vahoaka Malagasy Tratran’ny fampiesonana faobe


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Tsy mety manaiky ho resy na hilavo lefona mora foana Rajaonarimampianina sy ny ekipany na efa manangasanga izao aza ny firodanana. Mandeha ny fampiesonana manara-penitra amin’ny alalan’ny vina « Fisandratana 2030 ».

Hampanofinofisina amin’iny ny vahoaka mba hanantena fa mbola hanao zavatra ity fanjakana efa tena tototry ny tsy fankasitrahana ity. Tambazana sy homena seza ny mpanohitra maivamaivana mba hikombona ny vavany, ary ireny indray atsy ho atsy no hokaramaina hamotsy ny efa mainty. Fehezina sy gejaina kosa ireo sokajiana ho mpanohitra sy mpifanandrina matanjaka, ka mandeha ny hetraketraka mivantana, famoronana dosie maloto, fanenjehana ara-pitsarana … Ny ben’ny tanàna sy ny sefom-pokontany, indrindra fa ny eny ambanivohitra sasana atidoha, tambazana sy homena zavatra satria ireo no azo hampiasaina hampandany ny kandidam-panjakana. Ny lehiben’ny faritra moa efa HVM avokoa, miampy ity minisitra mpiahy isaky ny faritra ity, ka dia mifangaro voraka ny asam-panjakana sy ny asan’antoko. Ny hany tanjona dia hampandresy ny HVM, fa tsy izay fampandrosoana velively. Mandeha ny fandraikiraikena isan-karazany, ary manantena fatratra fa hahomby ity fanambazana sy fizaran-javatra sy vola tsy mahavita taona ity. Miantehitra fatratra amin’io resaka famafazana vola io ny HVM, ka toa tadiaviny hohadinoina fa mba mety efa niomana fatratra amin’izany ny hafa. Mazava raha kotrehina hatrany anaty lalàm-pifidianana io hifehezana ny volan’ny kandida io, kanefa izy ireo efa tena manao propagandy amin’izao fotoana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT