Politique

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »


  • Zoma 19 Jolay 2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

 

 

Teo ny fahalanian’ny filohan’ny antenimieram-pirenena 100% ary isany koa ny fahalaniana birao maharitra 100% mpiara-dia amin’ny fitondrana na IRD. Raha araka ny lalàna, hoy izy, dia tokony hametraka ny hoe « contre pouvoir » satria ny mpanohitra dia nifidy io filoha io koa. Raha ny lojika, ny atao hoe mpanohitra dia tsy mankato ny praograman’ny fitondrana sy ny fihetsika entiny manatontosa izany. Nisy ny fihetsik’ireo depiote tsy miankina izay nivadi-pitokisana tamin’ny vahoaka sahady ary amiko tena nanao fisolokiana ireny, hoy ny tenany, satria natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny ny vahoaka.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT