Manoloana ny resaka roritina mikasika ny fifidianana filohan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra farany teo izay hita ho lasa hampifangaroan’ireo mpamakafaka sy mpiady hevitra azy
io amin’ny resaka politika dia nanazava ny heviny mikasika ny fahitany ity filazana ho misy ambadika politika lava ireo toe-draharaha tiana ho lotoana eto amin’ny firenena rehetra ity ny mpanao politika, Dany Rakotoson. Mila faritana, hoy izy, fa ny politika dia tetika ahafahana mampivoatra. Matetika lazaina ho ratsy foana ny mpanao politika eto satria mpisoloky politika no betsaka eto. Ny zavatra rehetra anefa, hoy izy, tsy maintsy misy ambadika politika foana satria na io resaka baolina kitra io aza dia mila tetika vao tonga tamin’ireny sehatra nahitana azy tany amin’ny CAN 2019 ireny. Raha tiana ny hampivoatra ny fanatanjahantena dia mila koa politika mazava tsara mikasika azy sy ny tanora. Tokony hipetraka hoe ao anatin’ny 5 taona isika mahavita kianja izao isa na mahatafavoaka mpilalao matihanina avy eto an-toerana ihany. Ny IEM izao io lazaina fa hampivoatra ny tanora kanefa tsy hita ny politika mazava mikasika azy, hoy izy. Ny firenena matoa mandroso dia manao politika ny vahoaka ao aminy. Mila manao politika, hoy hatrany izy, noho izany ny vahoaka Malagasy mba tsy ho lalaovin’ny mpisoloky politika. Izany hoe mila sahy mandray ny andraikiny amin’ny maha olompirenena azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.