VAHOAKA LEO TSINDRY HAZO LENA

Namboraka ny alahelony, nanao hetsika nanoloana ny SADC


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Nivondrona tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra nanomboka ny datin’ny 15 ka

hatramin’ny 17 Aogositra lasa teo ireo vahoaka leo ny tsindry hazolena hataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ka nanohitra ilay fihaonambe notanterahina teny Ivato iny. Maro ireo fitarainana nentin’izy ireo, natrehin’ireo mpikambana miisa 16 ao anatin’ny SADC ka i Angola irery ihany no tsy nahatonga solontena. Maro ireo fitarainana nentin’ny vahoaka tamin’izany toy ny hakelin’ny karama raisin’ny mpiasa Malagasy ankehitriny izay tsy mahatody tapa-bolana intsony amin’izao vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy latsa-danja amin’izany ireo tanora marobe tsy an’asa izay efa mahatratra 70% manerana ny Nosy ho an’ireo latsaky ny 30 taona. Manampy trotraka ireto farany ny fahasahiranan’ireo mpiasa very asa tsy fidiny teto amin’ny tany sy ny Firenena vokatry ny olana ara-politika sy ny fikatonan’ny orinasa. Takian’ireo vahoaka ireo ny hanomezana fanonerana azy ireny hahafahany miavotra amin’ny fiainana. Nanambara moa ireo Filoham-panjakana ao anatin’ny SADC ka hojereny manokana ireo fitarainan’ny vahoaka ireo hahafahana mandrindra ny fiaraha-monina eto Madagasikara. Nanambara ireo solontenam-bahoaka nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe fa rehefa tsy nohenoina ihany izy ireo dia tsy maintsy nampiaka-peo manoloana ny zava-misy iainan’ny Malagasy ankehitriny. Marihina moa fa nanatanteraka filaharambe tao Antsirabe nentina nanoherana ireo karazana fitrandrahana hatao eto Madagasikara koa izy ireo, teo anatrehan'ny SADC.
Pati
Legende : Ireo solontenam-bahoaka nihaona tamin’ny SADC tao Antsirabe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT