Feno ny kapoaka ! Tsy zakan’ny vahoaka intsony ny familiviliana ny safidiny amina faritra maro eto amintsika. Tapa-kevitra ny any Atsimo fa hanao angaredona hiady amin’ny hala-bato nentina nampandaniana kandidam-panjakana.
Tsy misy afa-tsy resaka hala-bato no re manerana ny Nosy amin’izao fotoana. Tsy manaiky lembenana intsony ny vahoaka ary efa sahy miteny sy mijoro manoloana ny tsy rariny, na eo aza ny fandrahonana sy ramatahora isan-karazany. Ireo vondron’ny kandidà kosa nilaza tsy hihemotra ho tombontsoam-pirenena.
Manitrikitrika ireo kandidà depiote mivondrona sy solontenan’ny kandidà Jean Louis Robinson ao Toliara, tamin’ny alalan’ny Pr Napetoke Marcel, fa “mila averina ny fifidianana fa naloto ary manana porofo an-tsary amin’izany izahay entina hanamafisana ny fitoriana sy fangatahana fanamarinana ireo bileta tokana isaky ny vata fandatsaham-bato”. Araka ny tati-baovao voaray dia hatramin’ny sefo Fokontany sy mpiasan’ny CENI-T ary ireo tomponandraikitry ny biraom-pifidianana, notambazana vola mba hanamora ny hala-bato hameno ireo biletà tokana tsy feno rehetra sy hanao fampielezan-kevitra.
Nisantatra ny fidinana an-dalambe ny tao Morondava, faritra Menabe. Ny ao Toliara, tezitra ny vahoaka amin’izao, ka mitady hitroatra. Mampiaka-peo ny any Betroka, Tolagnaro, Morombe, Toliara II, sns. Raha aravona ireo dia hafana ny fetin’ny taom-baovao amin’ity satria tsy manaiky intsony ho lasibatra amin’ny hala-bato ny vahoaka. Vaky bantsilana ! Na samy kandidàm-panjakana izao, ary samy nahazo vato betsaka tamin’ny fifidianana depiote iny aza, dia sahy mifampihantsy sy mifanebaka imasom-bahoaka momba ny hosoka sy hala-bato hatrany. Tsy menatr’olona intsony. «Ny soa atao levenam-bola. Ratsy atao loza mihatona», hoy ny Ntaolo.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.