Vahaolana ilain’ny firenena

Tsy politika ihany !


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Miharihary ankehitriny fa tsy politika ihany na koa hoe ny lafiny politika ihany no

vahaolana ilain’ny firenena malagasy. Potika tanteraka amin’izao fotoana izao ny sosialim-bahoaka sy ny toekarem-pirenena manoloana ny olan’ny herinaratra sy ny rano. Ny orinasam-panjakana na «société d’état» niha lany tamingana nanomboka tany amin’ny taona 1991 noho nankaty. JIRAMA sisa izany izao no mitsipozipozy eo. Potika ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka, ny orinasa famokarana siramamy, ny orinasan-tsolika tamin’ny fotoan’andro. Ity orinasa Jiro sy rano malagasy ity izany izao sisa ary efa vaky ambatolampy koa moa tao anatin’ny 2 taona mahery teo izao fa maro ireo orinasa tsy miankina na koa orinasa vahiny miara-miombon’antoka sy mamatsy solika izany orinasa izany. Mbola an’ny malagasy tanteraka ve ny JIRAMA? Ny politika moa miha mankaleo ny maro an’isa satria toa sadasada avokoa fa tsy tena taratra ho te hamaha ny olam-pirenena marina na ny avy amin’ny fanoherana na ny avy amin’ny fanohanana ny fitondrana? Vao tsy ela ihany koa ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasionina misahana tontolona fanatanjahantena iray no niaiky fa ny fanatanjahantena manontolo eto Madagasikara mihitsy izao no marary fa tsy ny taranja misy azy ireo fotsiny. ¼-dalana aza, hoy izy izay, eto ankalazaina toy ny fahazoana medaly volamena. Ny lafiny kolontsaina moa dia ireny iaraha-mahita mampiraviravy tanana fotsiny ny tomponandraikitra eraky ny tambazotran-tserasera ireny. Efa tsy kolontsaina intsony fa kolom-pitombenana, hoy ireo raiamandreny, mba tsy ilazana zavatra hafa na koa ivantanana hoe mamoafady mihitsy. Asa hoe iza izany izao no tsy gaga raha sahy niteny ny filoham-pirenena farany teo fa tsy isika intsony izao no mila vahaolana fa ny olona indray no mila antsika hamaha olana? Satria, hono, isika izany hanomboka hitondra ny SADC amin’ny volana aogositra 2025. Ny firenena nefa ity mbola farany mahantra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT