Vahaolana ho an’ny firenena

Miantso fikaonandoha ny ankamaroan’ireo herivelona


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Ankoatran’ny fampanenoana lakolosy manoloana ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana na koa hoe fahitana

karazana halatra niseho tao anatin’izany dia saika miantso fikaonandoha eo amin’ny samy olompirenena ankehitriny ny ankamaroan’ireo herivelona eto amin’ny firenena. Io no heverin’ireo antoko politika, vondrona na vovonana politika ihany koa fa hany tokana mety ahitana vahaolana ho an’ny firenena manoloana izao toe-draharaha tsy mety maha tafavoaka an’i Madagasikara anaty fahantrana izao. Tokony hahatonga saina ny fitondrana, hoy ry zareo teo anivon’ny NGPM na «Nouvelle génération politique malagasy» ny zoma teo ny tsikera navoakan’ireo mpisehatra ara-politika marobe sy mpisehatra ara-pifidianana toy ny KMF-CNOE, ny RMDM, ny Diovy i Madagasikara, ny Rohy sy ny maro samihafa ireny, izay samy nampiseho fa tsy nandeha tamin’izay laoniny ilay zotram-pifidianana. Miverimberina miantso ny amin’ny tokony hanaovana fikaonandoha hanadiovana izany moa, ohatra, ny antoko politika Teza. Ireo antoko politika hafa toy ny Natiora sy Matsilo koa tetsy ankilan’izay niantso ny amin’ny tokony hanaovana faran’izay maika izany fikaonandoham-pirenena izany, tsy hamahana ny olana amin’ny resaka fifidianana fotsiny, fa ny resaka sosialy sy toekarem-pirenena ihany koa. Tetsy ankilany dia nazava ny fanapahan-kevitr’ireo raiamandreny am-panahy teo anivon’ny FFKM, izay nisafidy ny tsy handray anjara mihitsy tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe miandry izay daty tapaka hanatanterahana izay fikaonandoha izay fotsiny koa ve ireo? Raha izao fizotrany izao aloha dia vita fety no hivoaka izany ny valim-pifidianana ofisialy mikasika ny fifidianana solombavambahoaka. Ho hita eo ny tohiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT