Politique

Vahaolana ara-toekarena hanavotana ny firenena Misy manakana any ho any


  • Talata 03 Aprily 2018

Manana mpahay toekarena maro ny Malagasy kanefa dia tsy tafarina fa mikatso tanteraka ny toekaren’i Madagasikara. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka nataon’ny mpahay toekarena nandritra iny fihaonambe nasionaly ara-toekarena andiany voalohany izay natao tetsy amin’ny Carlton iny.

 

 Mampametra-panontaniana  mihitsy hoe maninona ireny vahaolana maro ireny no tsy nisy fiantraikany tamin’ny toekarena Malagasy mihitsy hatramizay ? Nanambara ny mpahay sady mpampianatra toekarena, Dr Hery Ramiharison fa efa betsaka ihany ny vahaolana sy torohevitra efa nomena ho fanarenana sy fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara. Nisy ny fanaovana tafatafa manokana, teo ireo atrikasa maro notanterahina ho valin’ny fangatahana nataon’ny fanjakana. Fombafomba sy resaka ambony latabatra no betsaka fa tsy misy ny fanatanterahana. Tamin’ny taona 2010 dia nisy, ohatra, ny fandalinana manokana nataon’ny mpahay toekarena maro momba ny orinasa afaka haba. Fantatra fa fanabeazana fototra no mba vitan’ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny orinasa afaka haba aloha no ahafahana mamorona asa maro mifandraika amin’ny fetram-pahalalana. Manamora zavatra ihany koa ny fanodinana lamba izay ananan’ny Malagasy tombony ahafahana mifaninana tsara amin’ny firenena hafa (avantage compétitif et  comparatif) sady mahasarika ireo vahiny mpampiasa vola. Nanambara i Dr Hery Ramiharison fa efa vita boky mihitsy ny momba izany ary nanomezana torohevitra maro amin’io sehatra io. Saingy misy fahefana mamehy sy mamihina azy ary tsy mizara ka na dia misy ary no te hanao zavatra ho an’ny firenena dia voasakana any ho any. Mateti-pitranga izy io amin’ny sehatra maro mihitsy, indrindra ny ara-toekarena ka tokony horavana. Mila fandraisan’andraikitra haingana izany ary ny tanora no tena mila miady mafy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT