Nikaon-doha nandritra ny adim-pamantaranandro sivy be izao tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny foloalidahy malagasy, notarihin’ny minisitry ny tafika, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, andaniny, sy ny iraka avy amin’ny vondrona misahana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny SADC, tarihin’ny jeneraly Nyembe Jeremiah Mduduzi, ankilany.
Fihaonana tsy azon’ny mpanao gazety natrehina izy ity, fa tamin’ny fiafaran’ny atrikasa no nisy fanambarana niombonana milaza amin’ny ankapobeny fa dia vonona hiara-miasa ny roa tonta, ankoatra ny fampahatsiahivana ny dingana nolalovana hatrany Luanda (Angola), nandalo tao Sandton (Afrika Atsimo) sy ny teny Maibahoaka Ivato notarihin’ny Troika farany teo, ka nahatongavana tamin’izao fihaonan’izy ireo izao. Tsy atao mahagaga raha io filazana fahavonona hiaraka hiasa no niarahan’ny roa tonta nanaovana fanambarana, satria dia saro-pady loatra tokoa ny resaka ara-tafika ka tsy tokony hahahaka noho izy mahakasika fiandrianam-pirenena. Na izany aza, azo tarafina amin’io fanambarana io fa dia manaiky ny zavatra tontosa niarahana tamin’ny SADC hatreto ny foloalindahy malagasy. Roa ihany rahateo ny safidy amin’ny vahaolana amin’ity krizy lavareny eto Madagasikara ity, dia na vahaolana ara-miaramila na vahaolana ara-politika.
Raha ny dingana vita hatreto anefa dia mirona any amin’ny vahaolana ara-politika isika. Ny lojikany dia mitaky ny fahanginan’ny miaramila sy ny foloalindahy amin’ny ankapobeny, hiverina ho betsimiteny, tsy hitsabaka amin’ny resaka politika. Nivoitra io nandritra ny fampihaonana ny delegasionan’ny vondrona politika fito sy ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ankolafy Zafy ary Uamad/Monima tatsy Pretoria farany teo, izay niangavian’ny avy amin’ny Troika ny foloalindahy mba hampiato ny fanaovana fanambarana lava ity, toy izany koa ny mpanao politika, mba hialana amin’ny fandikana vilana ny votoatin’ny sori-dalana fa mety hampikatso ny fampiharana azy indray. Na tsy nambarambara aza dia azo antoka fa voadinika nandritra ity fikaonan-doha omaly ity ny amin’izay. Matoa rahateo nivory adim-pamantaranandro sivy be izao dia ao raha !
Eo dia eo ohatra ny mbola mampizarazara be ihany ny foloalindahy, ka mamparisarisa ny firaisankinany, noho ny mbola fisiana miaramila any am-ponja taorian’ny raharaha FIGN sy BANI. Eo koa ny amin’ireo sesitany politika, araka ny voarakitra ao anatin’ny tondrozotra. Re mantsy fa dia nisy ny fijerena manokana ny dosie mahakasika ireo raharaha goavana sy mafana ireo. Zava-dehibe, araka izany, ny fanehoan’ny andaniny sy ankilany fahavonona hiara-kiasa satria dia antoka ho amin’ny fahombiazan’ny fampiharana ny tondrozotra izany, izay mbola haharitra 12 volana raha ny filazan’i Tomaz Salomao, Sekretera mpanatanteraky ny SADC, tao anatin’ny taratasy nalefany ho an’ny mpanao politika, nampahafantarina omaly. Mbola hitohy moa ny dinika, izay horaisin’ny politika, amin’ny fahatongavan’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany, Marius Fransman, eto anio.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.