Politique

Vadin’ireo miaramilan’ny FIGN Mitaky ny fampiharana ny sori-dalana


  • Talata 18 Oktobra 2011

Herintaona sy tapany izao dia tsy hita marina sy mazava hoe aiza ho aiza ny momba ireo miaramila voakasiky ny raharaha FIGN, miisa 16.

 Araka ny fanazavan’ireo vadin’ireo miaramila ireo, raha nanontany teny anivon’ny tribonaly izy ireo tapa-bolana lasa teo ho eo izay dia voalaza fa any amin’ny mpitsara ireo zaza tsy ampy taona ny raharaha. Raha niverina nanontany indray izy ireo omaly dia hoe any amin’ny Cour d’Appel ny dosie. Tsy fantatray intsony izay tena marina, hoy ihany ireto vady miaramila. Misedra fahasahiranana goavana anefa izy ireo amin’ny andavanandro satria na dia ny sakafo aterina eny Antanimora na Tsiafahy aza tsy misy intsony afa tsy in-droa isam-bolana sisa. Tsy vitsy koa ireo zanaka tsy afaka nanohy ny fianarany intsony noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny, ny ray migadra any am-ponja, ny reny sisa tavela mamelona azy ireo.

Manoloana izany rehetra izany dia manao antso avo amin’ny fampiharana tsy misy hatak’andro sy tsy misy fepetra ny andininy faha-16 ao amin’ilay sori-dalana mamaritra ny hamoahana avy hatrany ireo gadra politika rehetra ireo vadina miaramila voafonja noho ny raharaha FIGN. Notsipihan’ireto vady miaramila ireto koa fa tsy mitombina ny filazan’ingahy Ny Hasina Andriamanjato tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra fa tsy misy gadra politika intsony eto amintsika satria ny vadin’izy ireo dia vavolombelona amin’izany. 16 raha ny tarehimarika, ny miaramila mbola voatazona any am-ponja noho iny raharahan’ny FIGN ny 20 mey 2010 iny, ka ny telo amin’ireo eny Antanimora, ny ambiny kosa eny Tsiafahy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT