Nanamafy ny vondrona politika UDR-C omaly fa hanohana ny kandidan’ny Hery Vaovao, tsy misy afaka ny hitondra samirery ny anaran’ity vondrona politika ity intsony araka ny fanazavana fa saika efa tafaverina ao anatin’ny vondrona avokoa ny mpikambana rehetra. Marihina fa mahatratra 30 eo ny isan’ny antoko politika mivondrona ao anatin’ny UDR-C. Tsy mahagaga raha manohana an’i Hery Rajaonarimampianina ity vondrona ity. Ny azo antoka dia safidy tsy satry ny an’ny ankamaroan’ireo mpanao politika ao amin’ity vondrona ity. Ny tahotry ny fodian-dRavalomanana mantsy no tena mahamay ireto farany fa tsy ny fahaverezan’ny seza loatra. Efa ampy nanangonan’ny maro an’isa amin’ny FAT harena koa izay dimy taona latsaka kely teo amin’ny fitondrana izay.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.