Isan’ny mbola adihevitra ara-toekerana sy ara-tsosialy ankehitriny ilay resaka TVA 20%
alaina amin’ny zana-bola amin’ny findramam-bola amin’ny banky. Betsaka no manome tsiny ny governemanta sy ny parlemantera ho mamono ny mpandraharaha sy ny sy ny vahoaka eo anatrehan’ny efa fisiana krizy goavana ankehitriny. Tototry ny vavam-bahoaka ireo depiote maro an’isa indrindra ny IRMAR nampandany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Mbola fihantsiana mivantana na ankolaka anefa no ataon’ireo olom-boafidy sasany, toy ny nataon’ingahy Naivo Raholdina hita tamin’ny fampahalalam-baovao tsy miankina omaly. Ity farany izay sahy nilaza fa tsy tokony hanao findramam-bola eny amin'ny banky ireo matahotra ilay TVA 20%. Nolazainy mihitsy fa rtaha toa ka azo antoka 500% avokoa ny lalàna eto dia tsy misy ilàna ny Antenimierampirenena. « Misy antony matoa nolanianay solombavambahoaka ilay famerenana ny fitakiana tataovan-ketra amin’ny zana-bola hindramina eny amin’ny banky ao anatin’ny LFI 2025 », hoy io depiote io. Sahin’i Naivo Raholdina ny milaza fa tsy tokony hanao findramam-bola eny amin’ny banky ireo matahotra hiaran’ilay TVA 20% hoy ity solombavambahoaka izay naneho fa izy izao tsy mba mindrana izany. Asa heveriny fa toa azy ireo daholo, heveriny fa mitovy fari-piainana aminy amin’ny figalabonana amin’ny tombotsoa samihafa angamba ny Malagasy rehetra,… ka tsy mila findramam-bola amin’ny banky. Sao dia mba efa fandranitana eo anatrehan’ny efa fampizakana ny mangidy ireo mpandraharaha samihafa e ? Nilaza mihitsy moa i Naivo Raholdina fa tsy misy mpitondra hampijaly vahoaka izany na dia ireo mpitondra tsy nahomby tany aloha teo amin’ny fitantanany ny firenena, hoy izy, ka nanononany manokana ireo Filoha teo aloha miralahy mianaka Hery Rajaonarimampianina sy ny Marc Ravalomanana. Tena nahomby i Andry Rajoelina aminy, saingy tany aloha dia izy tenany mihitsy no niaiky fa ny delestazy sy tsy fisian’ny rano no nampihena ny vatony, saingy ireo minisitra no nanilihany azy, fa i Andry Rajoelina ery an-tampony tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny Firenena, tompon’antoka voalohany amin’ny tsy fahombiazana arovana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.