Politique

Tsy voafehy ny firenena Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Mirongatra be ny tsy fandriampahalemana na any ambanivohitra na eny an-tanàn-dehibe.

 

 

 

Vao andro vitsy izay no nisian’ilay fanafihana mpandraharaha sinoa nipetraka tao amina tranona ben’ny tanàna tany Belanona Befandriana Avaratra ny 29 jolay lasa teo, ka voatifitra sy naratra mafy ilay ben’ny tanàna, ary nitondra azy tany amin’ny varotsimifody na nisy aza ny fialana nenina. Naratra mafy ny lehiben’ny zandary satria tonga ara-potoana izy ireo, saingy namaly bontana ny dahalo, ka iray no lavo. Manana fitaovana harifomba sy tena sahy mifandramatra amin’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy. Nisy ny fampitaovana nataon’ny fanjakana ho an’ny mpitandro filaminana, toy ireo fiaramanidina, fiara tsy mataho-dalana. Ireo angidimby toa lasa fitaterana ireo mpitandro filaminana maratra, ary tena matetika io tranga io. Tao anatin’ny 4 volana, dia miisa 6 raha kely indrindra (Antsirabe, Mahitsy, Ankadindramamy, Itaosy, Ankadimbahoaka, Ankorondrano …)  ny fanafihana tobin-tsolika na mpiasa amin’izy ireny, izay misy mihitsy ny nahafatesan’olona, toy ilay teny Mahitsy. Ny fanafihana banky na fiara mitondra vola miha mahazo vahana, ka nahitana izany tany Toamasina, teto Antananarivo. Miverina ihany koa ny fakana an-keriny na ny “kidnapping”. Feno an’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny faritany efa ho dimy. Vao vita mantsy ny fakana an-keriny nataon’ireo tao Morarano-Kraoma, tany Alaotra dia nifampizara vola ary samy tsy hita. Soa fa mba nanapa-kevitra ny nandalina kely ny zandary avy amin’ny fijirihina ny finday fampiasan’ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Nanomboka hita teo ny fieren’ireo ary izany dia tena mifanalavitra. Nisy ny voasambotra tany amin’ny RN2, ny RN7 ary koa toeran-kafa izay lavitra. Ahafaha-milaza ireny fa nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana na teo aza ny fampisehoan-kery lehibe nataon’ny filoham-pirenena ny 26 jona teny Mahamasina. Tsy voatery hialoha ny fifidianana ihany vao misy ny fanafihana, fa efa lasa ataon’ireo olon-dratsy, hoy ny mpitandro ny filaminana nanaovana ny fanadihadiana. Mandeha ny fikarohana arahina ezaka mba hampilamina ny faritra sy  ny tanàna. Tsy ampy ny fitaovana sy ny olombelona, fa mila ampiana izany, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Mariky ny fahantrana sy ny tsy fananana no mahatonga ny tsy fandriampahalemana. Voalaza fa misy ny voasambotra dia migadra ary rehefa mahavita ny sazy avy any dia miverina manao ny asa ratsiny indray. Izay no nametrahana ireo paositry ny polisy tobin-janaparitra (poste avancé), ny fametrahana barazy isan-karazany, ny fisafoana ny elakelatrano,... Ny eo tratra fa misy foana ny andian-jiolahy miforona. Sao dia mila ampiana ilay paikady amin’ny alalan’ny famoronan’asa bebe kokoa ?

Toky R sy Sitraka r

 

 

                                       

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT