Tsy tafavoaka ny fitakian’ny depiote

Mafampana ny olan’ny antenimiera sy ny governemanta...


  • Alarobia 11 Jona 2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Antenimierampirenena, nifanaovan'ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ireo solombavambahoaka. Nangataka io fifanakalozan-kevitra tsy ampahibemaso io ireo depiote, mba hiresahana ny tombontsoa manokana ho azy ireo, ivelan’ny sehatra ofisialy amin’ny fihaonana “Face à face” mahazatra eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta. Efa nivoaka rahateo tato ho ato ny tsy fandoavan'ny Fanjakana ny karaman'ireo "Assistants Parlementaires", ny resaka vola hividianana fiara izay tsoahina amin'ny volan'ireo depiote,... Taorian’ny fihaonana, nilaza ny minisitra fa resaka tetibolan’ny Antenimierampirenena no nodinihina. Nambaran'ny Minisitry ny vola fa ny fangatahana napetraky ny solombavambahoaka dia efa nodinihina tamin’ny Filankevitry ny minisitra, saingy ny ankamaroany dia nolavina. « Resaka tetibolan’izy ireo no adihevitra. Efa nentina teny amin’ny Filankevitry ny minisitra avokoa, saingy tsy tafavoaka… », hoy ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinarinarison. Nanao tatitra fotsiny amin’izy ireo mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny minisitra izy. Naneho ny tsy fahafaham-pony ireo depiote. Roa andro monja mialoha ny “Face à face” izay voafaritra fa hotanterahina amin’ny 12 sy 13 jona, mandritra ny fihaonana eo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, dia misy fanehoan-kevitra samihafa amin’ity fihaonana nikaton-trano ity, izay zary lasa tsy mifanaraka amin’ny andrasan’ny vahoaka fa resaka tombotsoa, ary mifanohitra amin’ny mangarahara. Mivoaka ihany anefa avy eo ny akony, ary raha raisina amin'ilay tatitra nataon'ilay mpikambana ao amin'ny governemanta dia karazan'ny tsy tena nisy vokany aloha izany ny fihaonana. Rehefa tsy nahomby tamin’ny fiantsoana minisitra iray dia ao anatin’ny fihaonana sy fanadinana ny governemanta no voalaza fa mbola hanohizana ity resaka ity. Midika fitomboan'ny ny fifandirana eo amin'ny depiote sy ny governemanta. Ho tonga hatraiza sy hitondra inona? Ary mba manao ahoana ny fijerena ny olam-bahoaka sa ny tombotsoan'ny depiote aloha no mila iadiana? Firifiry amin'ireo lazaina fa solombavambahoaka 163 isa moa no mba tena mijoro sy miady ho an'ny Malagasy? Olana ho ana ampahan'olona tahaka izany ihany koa aza tsy voavahan'ny Fanjakana ka inona no antenaina ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT