Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana marobe bemidina vao maraina teny amin’ny trano nitoerany teny Amparibe ny solombavambahoaka sady minisitry ny fitsarana teo aloha Christine Razanamahasoa omaly.
Noesorina tao amin’io trano io ny tenany satria voalaza fa tranom-panjakana. Zony tamin’ny naha minisitry ny fitsarana azy io trano io ary raha vao tsy minisitra intsony izy, izany hoe ny taona 2014 dia tokony ho niala tao kanefa dia mbola tao hatramin’izao, hoy ny seraseran’ny fitondrana. Nisy ny fampahafantarana ny tokony hialany mitondra ny datin’ny 18 aogositra 2014, nosoniavin’ny minisitry ny vola tamin’izany, Jean Razafindravonona. Nangataka fe-potoana hahafahany miomana ny fialany tao izy ny 15 desambra 2014, ary nisy ny valiny ny 6 janoary 2015, fa nanana hatramin’ny 15 janoary 2015 nijanonana tao ny tenany. Nandefa taratasy indray ny minisitry ny vola Rakotoarimanana Gérvais ny 9 martsa 2015, ary ny farany dia ny tamin’ny 11 oktobra 2017. Tsy nisy tohiny intsony ny resaka taorian’izay, saingy iny niseho tampoka iny ny fandroahana vao maraina, ka navoaka tamin-kery ny entan’ity minisitra teo aloha ity, izay nohamafisiny fa tsy nisy ny fampiomanana sy ny fanajana. Tonga nanotrona azy teny an-toerana moa ireo depiote sy lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny MAPAR, izay naneho ny tsy fahafaliany. Tsy rariny loatra ny antsojay izay atao amin’ity solombavambahoaka sady efa voafidy ben’ny tanàna no efa filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha ity, hoy i Andriamananoro Augustin. Anisan’ny niady fo nampandany ny filoha am-perinasa saingy izao niharan’ny fanesorana azy amin’ny trano fonenany izao. Mampalahelo ny toy izao, hoy izy. Nanamafy izany ny depiote Lanto Rakotomanga, izay nilaza fa tsy nisy nanda ny tsy hiala. Mba tokony ho nisy ny fifanajana na dia ny amin’ny maha olom-boafidy sy efa tompon’andraikitra ambony teto amin’ny firenena azy ihany aza, raha haravona ny fanehoan-kevitr’io depiote io. Ny ampitso marainan’ny fanateran’ny depiote mpanohitra ny antontan-taratasy fitoriana teny amin’ny HCC sy ny Bianco manohitra ny fahalanian’ny lalàm-pifidianana sy ny kolikoly no nisian’ity trangan-javatra ity, ka tombanan’ny maro ho antsojay sy efa fampiomanana ny hafa ataon’ny fanjakana HVM. Nilaza kosa omaly i Ndranto Rakotonanahary mpandrindra ny HVM Analamanga fa fanjakana Malagasy manana ny andraikiny no misy eto, ny HVM dia antoko fa aza afangaro. Tsy ny HVM no nananilika na nandroaka an’i Christine Razanamahasoa tamin’ny tranony, hoy izy. Tantara mitohy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.