Politique

Tsy misy mpitantana ny firenena Ombay mitady ny Filoha sy ny Praiminisitra


  • Zoma 20 Novambra 2015

Efa ho herinandro latsaka kely izao tsy andrenesam-baovao ofisialy ny akon’ny dian’ny Filoham-pirenena any ivelany ary tsy fantatra ihany koa izay fivoaran’ny toe-pahasalaman’ny praiminisitra, fa dia miaina amin’ny honohono ny Malagasy.

Efa tsy omen’ny mpitondra lanja intsony ny vahoaka malagasy miisa 22 tapitrisa. Tsy vitan’ny hoe samy tsy misy eto an-toerana ny lehiben’ny fahefana mpanatanteraka roa tonta fa tsy andrenesam-baovao ihany koa izy ireo. Ny tany anefa tsy milamina, tsy eto an-toerana tsy ny any ivelany any. Ny filankevitry ny minisitra teo no nahafantarana fa hivoaka an’i Madagasikara ny Filoham-pirenentsika, hisarika ny mpamatsy vola vahiny ho avy hampiasa ny volany eto Madagasikara. Tsy misy maharatsy izany ary asa tena tokony hataony aza izany. Ny maha lasa saina dia ny tsy fisian’ny tatitra ofisialy ataon’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repobilika ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, raha tsy efa omaly hariva. Ny mahagaga anefa dia tsy nanisy resaka mikasika izany ny haino aman-jerim-panjakana dia ny RNM sy TVM izay hany azon’ny besinimaro jerena sy renesina manerana ny Nosy. Sa ny tafatafa ao anatin’ny tranokalan’ny Prezidansa ao amin’ny Facebook indray ve no vaovao ofisialy fa tsy misy intsony ny taratasy misy ny mari-pamantaran’ny fiadidian’ny Repobilika mba hialana amin’ny famoahana vaovao tsy marina ? Tsy heverin’ny mpitondra ho zava-dehibe intsony ny fampahafantarana ny vahoakany ny foto-dian’izy ireo any ivelany any. Ny mpanao vy very ny ainy sy ny karazan’olon-dratsy iraisam-pirenena anefa izao efa feno azy ny vazantany efatra, ny Filohantsika tsy re be tsy re kely. Ombay mitady re ray olona o !

Toy izany ihany koa ny momba ny praiminisitra. Tamin’ny sabotsy alina izy no nandao ny Nosy fa hitsabo tena any Frantsa. Tsy mba misy filazana amin’ny vahoaka izay mety ho fivoaran’ny toe-pahasalamany kanefa efa ho herinandro izay no lasa. Marina fa olombelona ny praiminisitra ka mety tsy ho salama kanefa adidiny ihany koa ny manome vaovao momba ny toe-pahasalamany mba hampatoky ny vahoaka tsy hita isa izay mety mbola miandrandra azy. Tsy tokony hafenina ny Vahoaka entina sy miantoka ny fampandehanan-draharaha amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra ny toe-pahasalaman’ny mpitondra azy.

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT